Tsiroanomandidy – Matin’ny dahalo ny mpanara-dia
Dahalo miisa 8 no nanafika ny mpiompy omby iray monina any Ambohibary, Fihaonana Tsiroanomandidy. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 10 ka nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana miisa 2. Tratra teny an-dalana ireo dahalo nefa tsy nanaiky lembenana ka raikitra ny fifandonana. Lavo tamin’izany ny lehilahy iray tamin’ny mpanara-dia saingy tafaverina amin’ny tompony kosa ny omby rehetra. Ireo dahalo ihany koa dia tafaporitsaka avokoa. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fanenjehana ireo nahavanon-doza. Na teo aza ny famoizana namana dia nankahery ny mponina ny ezaka vitan’ny firaisankina satria nahafahana nanavotra ny fananana efa teny ampelatanan’ireo malaso. Efa manao izay vitany ihany koa ny mpitandro filaminana ary tsy manaiky lembenana mihitsy na dia vitsy an’isa sy tsy mbola ampy fitaovana aza. Heverina fa hampihena ny asan-dahalo any an-toerana izao vokatra azo izao ary hankahery ny fokonolona ho sahy hiaro tena ihany koa. ,
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







