Mahabo – Lasan’ny fokonolona ny basin’ny dahalo
Dahalo iray no matin’ny mpanara-dia ary lasan’ny fokonolona ny basiny. Nahita izany ireo malaso namany ka rifatra nandositra tany anaty kirihitra ary tafaporitsaka tsy nisy voasambotra. Tany Beraketa Mahabo no nisehoan’io tranga io tamin’ity herinandro ity. Dahalo 13 lahy no indray nanafika ny tanàna ary nampihorohoro ny vahoaka tamin’ny basim-borona. Omby miisa 11 no norobain’izy ireo tamin’izany ka rehefa lasa lavidavitra kely ireo mpanafika dia roso tamin’ny fanenjehana ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana ka tamin’io no nahalavo ny dahalo iray ary nahalatsaka ny basiny. Efa nisy mpitandro filaminana nidina any an-toerana hanampy amin’ny fanenjehana sy ny fanadihadiana. Niala maina no sady voa mafy ny dahalo tamin’ity indray mitoraka ity. Raha ny fantatra dia efa manomboka sahy miaro tena manohitra ny dahalo ny mponina amin’izao fotoana izao. Ny fitsanganan’ireo dinabe sy kalaony natao hiarovana ny tanàna no tena nahatonga izany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







