Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

RN 44 – Fiarakodia telo indray no noravain’ny jiolahy.

Mampiasa flesy miaraka amin’ny bala vita amin’ny vy notapatapahina indray ny jiolahy amin’iny lalam-pirenena faha-44 iny amin’izao fotoana izao.Tifiriny amin’iny izay fiara mandalo ka raha vao mijanona na tafajanona avy hatrany dia tonga izy ireo manafika. Fiara telo no voaroban’ny jiolahy ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny roa fiara vaventy mpitatitra entana fa ny iray kosa mpitatitra olona. Naratra mafy ny takolakan’ny olona iray tamin’ireo fiara vaventy izay voatifitry ny flesy ka tena goaka mihitsy izany. Tsy mbola voafaritra mazava kosa hatreto ny entana very. Raha ny tranga misy no dinihina dia tsapa ho miha marefo ny fandriam-pahalemana any amin’ity lalam-pirenena faha-44 ity. Vao tsy ela akory izay ilay fiara mpitatitra nisy nandrava tao amin’ny lalan-dratsy iray dia efa izao miverina izao sahady. Misy ihany ny fepetra raisin’ny mpitandro filaminana any an-toerana, izay tsy mandefa raha tsy miaraka maromaro ireo fiara ao amin’ity lalam-pirenena ity saingy misy hatrany no voatafika.

Ange R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre