Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Ambavatapia – Fiara an-jatony sy olona an’arivony niara-nihitsoka

Tapaka tsy azo naleha mihitsy ny lalana fa nobahanan’ny fiarabe an’ny orinasa Star teo amin’ilay tetezana kely. Tany Ambalatapia eo anelanalan’Antsirabe sy Ambositra no nitrangan’izany omaly maraina. Maty teo ambony tetezana ilay kamiao be mpitondra labiera sy ranom-boankazo ka tsy nisy azo natao mihitsy nanetsehana azy. Nanomboka tamin’ny 9 ora sy 30 mn maraina io fahasimbana io ary na efa mitatao vovonana aza dia mbola tsy nahitana vahaolana. Vokatr’izany, tsy nisy afa-nihetsika ny fiara rehetra avy any Atsimo hiazo an’Antsirabe sy ny renivohitra fa nijanona tery ampitan’ny tetezana. Toy izany ihany koa ireo avy nandalo an’Antsirabe hiazo ny faritra Vatovavy fitovinany, Amoron’I Mania ary ny faritra Atsimo rehetra iny. An-jatony noho izany ny fiara tafahitsoka ary an’arivony ireo mpandeha no voatery niandry teo. Voalaza fa nisy olona marary nentina hotsaboina maika anefa tamin’ireo. Ankoatra izany dia nalemin’ny hanoanana sy ny hetaheta ny olona sasany satria tsy naharaka ny sakafo tamin’ireo hotely manodidina. Maro rahateo no tsy nieritreritra hisakafo intsony ary tsy nanomana vola satria tsy nanam-po ny ho tavela teo. Niezaka nifano me tanana ihany ny mpitandro filaminana sy ireo mpitondra fiara ary ny mpandeha nanao fivilian-dalana mba hahafahan’ny fiara mandeha tsikelikely saingy tsy nisy vokany firy izany. Efa nanao izay azo natao ihany koa ny orinasa tompon’ilay fiarabe mba hampihenana ny ora hijanonan’ilay izy teo ambony tetezana. Sarotra rahateo ny hifanome tsiny amin’ny tranga toy izao satria tsy nisy hanao fanahy iniana ho simba eo ambony tetezana izany fa sendran’ny tsy nampoizina.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre