Ambatondrazaka – Tratra ny mpangaro-paosy roalahy
Tsy namelan’ny polisim-pirenena ao Ambatondrazaka raha tsy voasambotra ny mpangaro-paosy gaigilahy roa izay efa mpanao io asa ratsy io tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka. Ao anatin’ny fanadiovana ny tsena ny polisim-pirenena amin’izao fotoana izao hoy ny kaomisera divizionera Ramilison Celestin. Mitaraina avokoa ny mpiantsena noho ny afitsoky ny jiolahin-tsena hoy ihany izy ka tsy maintsy mandray ny andraikiny ny polisy mijery sy misambotra ireo mpanao ratsy. Polisy tsy nanao fanamiana no nahasarona ireto jiolahy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Misy ny paikady hapetrakay ato amin’ny polisim-pirenena amin’izao fotoana izao hametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra ao an-tsenan’Ambatondrazaka hoy ihany ity Lehiben’ny polisin’Ambatondrazaka ity. Mbola hisy ihany koa anefa ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny tsena hahafahana manatanteraka izany. Mijaly loatra ny vahoaka noho ny herisetran’ny mpangaro-paosy hoy izy ary tsy vitsy ireo mitondra takaitra noho ny fahaverezam-pananana amin’ny ataon’izy ireny. Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ihany koa anefa ny polisim-pirenena mba hifanampy amin’ny fanomezam-baovao mikasika ireo olon-dratsy. Mora ny fametrahana fandriam-pahalemana raha miara-mientana ny rehetra hoy hatrany ity kaomisera divizionera ity.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







