Bezaha – Solokian’ny kaomorianina ny mpianatra
Misahotakotaka ny ao amin’ny sekoly tsy miankina iray any Bezaha noho ny fisolokiana ataon’ny lehilahy kaomorianina iray izay mpampianatra ao ihany. Tangosan’ity teratany vahiny ity volabe mantsy ny ray aman-drenin’ny mpianatra nefa tsy hita akory izay vokatra azo amin’izany. Efa nanao fitoriana ireo lasibatra satria mahatratra amin’ny hetsiny no efa nakepok’ilay kaomorianina. Miandry ny fandraisan’andraikitr’ireo manam-pahefana ny vahoaka satria mahatsapa tena ho voafitaka amin’izao fotoana efa mananosarotra amin’ny fampidirana mpianatra izao. Fanirian’ireo voasoloky ny hamerenana ny volan’izy ireo sy androahana ilay teratany vahiny ao amin’ilay sekoly ary ny fanalan’azy ao an-tanàna mihitsy. Araka ny averimberin’ny mpitondra fanjakana matetika mantsy dia vahiny mpandraharaha sy mpampiasa vola no ilain’i Madagasikara fa tsy olona mpisoloky sy hitsentsitra ny malagasy. Andrasana izay ho tohin’ity raharaha ity sy ny fanazavana mety ho entin’ilay kaomorianina voarohirohy amin’ny asa fisolokiana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







