Vous êtes ici :

Mardi 14 Mai 2024

ombre

Beroroha – Resin’ny dahalo ny fokonolona

Raikitra ny fifampitifirana naharitra ela teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona tany Tanandava Beroroha. Malaso miisa 35 ka nampiasa basim-borona ny 12 tamin’izy ireo no nanafika tao an-tanàna. Tsy nanaiky nolembenana anefa ny vahoaka fa niaro tena ary nampiasa basy ihany koa. Nahery vaika ny fifandonana ka tsy nahatohitra ireo mpanafika ny fokonolona. Lehilahy iray no maty voatifitra ka natahotra sy nanavotr’aina ny rehetra vao nahita izany. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby miisa 15. Tsy nanaiky anefa ny tompon’omby fa niantso zandray ary roso tamin’ny fanarahan-dia. Mpitandro filaminana miisa 8 avy ao amin’ny borigadin’i Fanjakana no nanampy ny fokonolona tamin’io. Nanao ny fanakanana sy sava hao ny lalana rehetra mivoaka ny tanàna kosa ny zandary avy amin’ny borigadin’i Tandrano. Fantatra fa rehefa tsy nahita lalan-kivoahana ireo dahalo dia navelan’izy ireo teny an-dalana ny omby rehetra ary ry zalahy kosa niparitaka ka tsy hita izay nanjavonany. Sarotra ny manenjika dahalo tsy mitondra omby satria amin’ny ankapobeny dia mahafantatra tsara ny atiala sy ny kizo rehetra izy ireny ary mahavita mifangaro amin’ny olon-tsotra ka tsy misy hamantarana azy ho olon-dratsy.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre