Ankaraobato – Tsy mety milamina ny ady tany
Trano miisa 2 no efa narodana ary 8 hafa no tsy maintsy mbola hazera! Tsy manaiky izany anefa ny mponina izay mitaraina fa misy ny fanaparam-pahefana. Ny talata lasa teo no nanomboka ny fandrodanana teny Ankadialampotsy Ankaraobato ary ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra izy io. Araka ny fanazavan’ireo efa rava sy vao horavana trano dia efa niditra fitsarana hatramin’ny taona 2003 ny raharaha ka nandresy hatrany izy ireo. Nisy mihitsy aza fotoana nolazain’izy ireo fa nampiditra am-ponja ilay olona milaza ho tompon’ny tany. Niverina indray anefa ity farany taty aoriana ary tsy manaiky fa tsy maintsy haka ny fananany. Mifamahofaho be ny raharaha satria soketain’ireo rava trano fa taratasy sandoka no ampiasain’ilay milaza ho tompon’ny tany. Tsy mbola nisy afaka nanaporofo izany aloha fa dia io miseho amin’ny fifandirana io ny tsy fifanarahana eo amin’izy ireo. Tsy sambany no nisy toy izao fa saika amin’ny fokontany rehetra manerana an’i Madagasikara mihitsy. Samy manana taratasy ny mpifanditra ary samy tsy manaiky fa mijoro amin’ny heviny. Ny toy izao indrindra no tena ilàna ny fanavaozana ny lalànan’ny fananan-tany. Lasa vesatra ho an’ny vahoaka indray mantsy ankehitriny ny fananana tany satria tsy fantatra intsony izay marina sy diso rehefa misy olona samihafa na maromaro samy milaza ho tompony ary samy manana taratasy ara-dalàna.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







