Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Isotry – Natsipy teny amin’ny rihana faharoa ny ankizy

Noderain’ny maro sy herin-tsaina sy fihetsika nanavotana aina nasehon’ny mpianakavy kely y teny Isotry omaly vao maraim-be. Nirehitra ny trano tany amin’ny rihana faharoa ary tsy tafavoaka avy ao izy ireo. Hany herin’ity fianakaviana ity dia nitsambikina avy eny ambaravarankely ary natsipy hatramin’ny ankizy ary notatazana tamin’ny lambabe avy eny ambany. Avotra soa aman-tsara izy rehetra saingy ny entana no potika tsy azo noraisina. Voalaza fa fifampikasohan’ny tariby mpitondra herin’aratra no nahatonga ny firehetana tsy nampoizina io. Tranobe manara-penitra ilay may ka tsy nihitatra tamin’ny manodidina ny afo. Tonga teny an-toerana ihany ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna saingy tsy nisy hevitra mihitsy azo natao hakana ireo olona tavela tao amin’ny rihana faharoa io. Hany herin’ny rehetra dia io nasaina nitsambikina sy notatazana avy eny ambany io.

Tato ho ato dia betsaka ny haintrano vokatry ny herinaratra. Raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny elektronika sy ny elekrisite dia antony roa no mahatonga io. Voalohany dia ny tsy fahamarinan-toeran’ny tanjaky ny herinaratra avoakan’ny Jirama ka mety mahatonga fahasimba sy fipoahana amin’ny fitaovana elektrika ampiasaina any an-trano. Faharoa ihany koa dia ny tsy fahatomombanan’ny tariby mpitondra herinaratra ampiasain’ny olona. Mitobaka ary mameno ny tsena mantsy ireo tariby vita sinoa nefa tsy manaraka ny fepetra ilaina akory. Rehefa be loatra ny zavatra ampiasaina ao an-trano dia tsy mahazaka ireny tariby sinoa ireny ka mahamay be dia mitsonika ny fonony ary lasa mifampikasika avy eo. Io no mahatonga ny firehetana.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre