Mahabo – Maty voatifitra ilay mpangalatra omby
Omby niroaka ahitra teny an-tsaha no nalain’ny jiolahy iray antsokosoko saingy hitan’ny tompony izany ka raikitra ny fanenjehana. Nampiasa basy avy hatrany ny tompon’omby ary nitifitra tsy am-pihambahambana ilay naka ny fananany. Vokany, voatifitra tamin’ny faritra mahafaty ilay mpangalatra ary nitsipaka nanary aina avy hatrany. Sendra ny nahay azy hoy ny filazan’ny mpiray tanàna saingy tsy maintsy nanokatra fanadihadiana ihany koa ny mpitandro filaminana. Mbola heloka anefa ny mamono olona eto Madagasikara na dia fantara mazava izao aza fa mpangalatra ilay izy. Na izany aza, efa leo ny asa ratsy sy ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ka matetika izay jiolahy tratra dia misy mamono ho faty avokoa. Maro amin’ireo malaso ihany koa no miseho ho mahitahita sy mahafantatra olona ka izy ireo indray no avo vava rehefa atolotra ny mpitando filaminana. Misy aza mahavita manao valifaty sy mampihorohoro ny olona notafihiny mihitsy rehefa tafavoaka ny fonja avy namita sazy.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







