Andolofotsy – Nodoran’ny dahalo ny tranon’ny tompon’omby
Tsy vitan’ny nangalatra ireo mpanafika fa mbola nodorany ihany koa ny tranon’ny tompon’omby. Tany Andranovelona Andolofotsy no nitrangan’izany. Andro alina tamin’ny 10 sy sasany tany ho any no nitrangan’ny fanafihana ka tsy fantatra mazava ny isan’ireo malaso. Maro izy ireo hoy ny olona satria tao anaty aizina no nitrangan’izany. Nahery fiavy ireo dahalo ka nanapoapoaka basy hampitahorana ny mpiray tanàna mba tsy hivoaka hanavotra ny voatafika. Nalain’izy ireo ny omby miisa 10 tao ambala, izay olona iray ihany no tompony. Tsy vitan’izany fa mbola nodorana ihany koa ny tranon’ilay olona. Efa lasa lavidavitra ireo dahalo vao sahy nifamory nijery ny zava-nitranga ny fokonolona. Nantsoina ny zandary tao Analavory ka ny ampitso vao nanao ny fanarahan-dia. Raha ny tatitra farany heno dia tsy nisy tratra fa tafaporitsaka ireo dahalo tamin’io fanarahan-dia io. Tsy nisy tafaverina ihany koa ny omby. Mbola nanohy ny famotorana sy ny fanenjehana hatrany anefa ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana fa tsy kivy.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







