Vous êtes ici :

Mercredi 08 Mai 2024

ombre

Ambovombe – Notafihin’ny dahalo ny amerikanina

Vola mitentina 14 tapitrisa ariary no very ka ny 4 tapitrisa an’ny vazaha mpanera ary ny 10 tapitrisa kosa an’ilay mpamily. Tany Andalatanosy Ambovombe Androy no nitrangan’ny fanafihana ka fiara taksiborosy no lasibatra tamin’izany. Dahalo miisa 4 nirongo famaky no nanao ny fanafihana ka nosakanan’izy ireo tamin’ny vato be ny lalana. Rehefa tsy afa-nandeha intsony ilay fiara fitaterana dia raikitra ny tora-bato ka vaky ny fitaratra eo anoloana. Olona 3 no naratra vokatry ny vakim-pitaratra ary ilay vazaha kosa dia voa teo amin’ny tongony. Nanoloana izany herisetra izany dia tsy nisy sahy nihetsika ny rehetra fa nanatontosa ny baikon’ireo mpanafika fotsiny. Toa efa fantatr’izy ireo mialoha rahateo fa nitondra vola be ilay mpamily sy ilay vazaha. Ity farany moa dia amerikanina miasa amin’ny Ong Pact any Taolagnaro. Rehefa nahazo izay nilainy ireo mpanafika dia rifatra nandositra ary efa nanao ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona rehefa naheno ny fanafihana. Tsy tratra teo noho eo anefa ireo dahalo. Lasa mihamatetika indray tato ho ato ny fanafihana fiara any atsimon’ny Nosy. tsy misy azo atao mihitsy  rehefa mitranga izany satria sady any ankebakeban-tany tsy misy mpahita no mbola ratsy tsy azo handosirana ihany koa ny lalana.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre