Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Ambato Boeny – Tsy naverina tamin’ny tompony ny omby

Tsy nanaiky ny namerenana ny omby tamin’ny tompony ny zandary na dia efa nitondra taratasy mazava aza ilay olona. Tany Ambato Boeny no nitrangan’izany ary noraisina io fepetra io mba hisorohana ny mety ho olana aterany avy eo. Tsy maintsy mbola miandry ny kaomandin’ny borigady avy any Mampikony mantsy ny zandary avy ao Ambondromamy vao handray fanapahan-kevitra. Marihina fa nahazo vaovao avy amin’ny olon-tsotra ny zandary ao Ambondromamy fa misy omby mampiahiahy ao atsinanana Ambodibinara. Nandeha nijery akaiky io zava-nisy io ny zandary ka rehefa tonga tany an-toerana izy ireo dia nandositra avy hatrany ireo dahalo ireo.  Marihina fa mitondra basy hazo 1 izy ireo, navelany teo ny omby izay miisa 8. Taorian’izay dia nantsoina ho any amin’ny biraon’ny zandary ny tompon’ny tany Baiboho miaraka amin’ny omby. Nampidirina vala ny omby. Naheno vaovao ny tompon’ireo biby ireo dia tonga tao amin’ny birao ary nitondra ny taratasy fanamarinana. Avy any amin’ny faritra Antratramanera Mampikony ireo omby ireo araka ny filazan’izy ireo. Efa nampandrenesina ny CB Mampikony.  Mbola tsy naverina amin’ny tompony ny omby fa miandry ny valitenin’ny CB Mampikony. Tsy misy fantatra ireo dahalo ireo hatreto.  Ny zandrimaria Ambondromamy no misahana ny raharaha.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre