Vous êtes ici :

Mercredi 01 Mai 2024

ombre

Mahabo – Olona 76 nahafaty dahalo 1

Sendra ny be noho vitsy ka tsy nahovoka ny dahalo nanafika tany Tsimazava Mahabo ny faran’ny herinandro lasa teo. Efa-dahy izy ireo no nanao amboletra sy naka an-keriny ombin’olona miisa 10, tamin’io fotoana io. Niantso vonjy ny voatafika ary raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia. Nifampivory ny kalaony ka nahangona olona miisa 76 ary nampian’ny zandary miisa 3. Rehefa raikitra ny fanenjehana dia tratra ireo dahalo nefa tsy nanaiky lembenana fa nanafika ny vahoaka ary raikitra ny fifandonana. Lavo tamin’izany ny iray tamin’irao malaso ary ny namany 3 hafa kosa tafaporitsaka. Tafaverina kosa ny omby rehetra. Tsikaritra fa na tsy mijanona aza ny asan-dahalo dia hita fa mihena ny isan’ny iray tarika. Matetika izy ireo dia 10 eo ho eo raha be indrindra ka mora amin’ny mpanara-dia no manao ny fisamborana rehefa raikitra ny fifandonana. Efa sahy miaro tena ihany koa ny vahoaka noho ny fametrahana ny dinabe sy ny kalaony izay mahay mandrindra ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre