Vous êtes ici :

Mercredi 08 Mai 2024

ombre

Toamasina – Tsy azo amidy ny kaontera

Namory ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany, ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina, Veloson Léonard, mba hampahafantarana ny mpanjifa fa tsy azo amidy, no tsy azo vidiana amin’olon-kafa ny kaontera. Misy ny olona tonga manatona sy mitaraina, tsy mahalala akory ny antony nanapahana ny jirony. Anisan’ireny ny mpanofa trano, izay matetika mipetraka aloha izy ireny ka rehefa afaka roa volana tapaka ny jirony ary manilika fa ny mpanofa teo aloha no tokony nandoa izany. Tahaka izany ihany koa ny mpividy trano, afaka roa volana tonga ny jirama manongotra ny kaontera fa tsy voaloa ny faktioran-jiro.  Nampahalalany ny mpanjifa  izay manavao na mividy trano fa tsy azo atao ny manala ka mamindra ny kaontera amin’ny toerana nisy azy raha tsy mahazo alalana manokana avy amin’ny Jirama. Miharihary ny fisian’ny fangalarana, fisintonana na fanomezana jiro eto  Toamasina, ka tokony ho fantatry ny rehetra ny voka-dratsin’izany. Rehefa manao fampidirana jiro ny mpanjifa dia tsy mitovy ny kaontera tsirairay, fa toy ny amin’ny fiara  izay manana “carte grise”, dia manana izany ihany koa ny kaontera. Fantaro hoe hatraiza ny tanjaka sy hery misy amin’ny kaonteranao, fa olana goavana izay,hoy ny tale iraisam-paritra. Rehefa manome jiro amin’ny olona hafa ianao dia tadidio fa miteraka olana amin’ny faritra misy anao, ka velona ny fanontaniana hoe : “maninona no tapahana ny jironay nefa efa voaloa ny hofan-jiro? Ny mpanome ny jiro azy ireo anefa no tsy nandoa ny faktiora ka lasa ny fiarahamonina no simba. Mandoro trano ihany koa ny fanaovana izany rehefa mitondra ny zavatra tsy zakany ny kaontera dia mipoaka ary mandoro trano sy mamono olona. Zavatra miseho any amin’ny fokontany izany tranga voalaza izany. Araka ny fanambarany hatrany dia ireto antony ireto no mahatonga ny fanalana na  fametahana  kaontera vaovao : faktiora tsy voaloa, fahasimban’ny kaontera  ary izay tsy ara-dalàna ny fipetrahany.

Zouzouh Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre