Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Vatomandry – Nahitana lakana mampiahiahy

Nahitana lakana mampiahiahy tany amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara manakaiky an’i Vatomandry afakomaly. Ireny lakana afaka abontsina fampiasa amin’ny famonjena aina rehefa mitady ho rendrika ny sambo na misy olona latsaka an-dranomasina ireny izy io. Tsy nahitana olona na entana tao anatiny ary tsy nisy motera ihany koa. Mbola hita tsara kosa ny anaran’ilay izy dia “Berita Monrovia”. Efa nahazo fampandrenesana ireo tompon’andraikitry ny fifamoivoizana an-dranomasina toy ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny Apmf ary ny sampan-draharaha miady amin’ny jiolahin-tsambo. Efa misy araka izany ny fanangonam-baovao mikasika ny niavian’io lakana io. Anisan’ny tena ahiana amin’ity tranga ity ny mety fisian’ny fifindra-monina antsokosoko satria izany Berita Monrovia izany dia heverina fa avy any Liberia izay firenena tena nanjakan’ny areti-mifindra Ebola. Noho izany, atahorana hitondra aretina aty amintsika ny olona nandeha io sambo. Tsy ampy rahateo ny fitaovana hanaraha-maso ny fari-dranomasin’i Madagasikara ka maro ireo sambo tsy ara-dalàna mirenireny nefa tsy hitan’ny tompon’andraikitra. Maro ihany koa anefa ny lozan-dranomasina izay nahaverezana sambo sy nahafatesana olona hatramin’ny fiandohan’ity vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra ity.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre