Ihosy – Olona 2 maty navadiky ny fiara
Potika tsy nisy azo noraisina ilay fiara izay nivadika noho ny fandehanana mafy. Tany Ihosy no nitrangan’io lozam-pifamovoizana io. Olona miisa 4 izy ireo no tao anatin’ilay fiara ka ny 2 maty ary ny 2 naratra mafy. Teo anelanelan’i Sakaramy sy Andohan’Ilakaka no nisehoan’io. Nanararaotra ilay mahitsy be iny ireo mpandalo ireo ka nandeha mafy sady mety mba nitsapa ny herin’ny fiara ihany koa. Tsy hay anefa na nisy olana ara-mekanika na tsy voafehin’ny saofera ny familiana fa nipitika tany amin’ny ankavian-dalana ilay fiara ary izao niafara tamin’ny loza mahatsiravina izao. Matetika mihitsy ny olona no manararaotra mandeha mafy amin’iny lalana mianatsimo izay sady malalaka no mahitsy iny. Mila fahazarana sy fahaizana ihany anefa izany satria zavatra kely tsy ampoizina dia efa mahavery tanteraka ny fifantohana sy ny fifehezana ny fiara. Mila hajaina hatrany ilay hafainganam-pandeha ambony indrindra tsy mihoatra ny 80km/h voarakitry ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







