Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Tsiafajavona – Manolana sy mampihorohoro ny Jamami

Manampatra ny heriny ny Jamami any Tsiavajavona Ankaratra distrikan’Ambatolampy. Voalaza fa manao tery vay manta ny olona hampiasa azy izy ireo. Ny Jamami moa dia fikambanana milisy sivily avy any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa iny ary miasa amin’ny fiaroavana ny vahoaka manoloana ny asan-dahalo. Sady tsara hofana amin’ny fampiasana antsy lava no manana ody mahery hiatrehana ny dahalo izy ireo araka ny fanazavana.

Efa tonga any Tsiafajavona ny Jamami ary mampihorohoro ny vahoaka any an-toerana. Voalaza fa sady mamiravira ny tovovavy izy ireo no mangala-badin’olona ihany koa. Tsy misy sahy mandà ireo iharan’ny filan- dratsy satria  matahotra. Andro vitsy lasa izay dia nisy famadihana tany an-toerana ary nisy hira gasy natao hanafana ny lanonana. Mamo ny Jamami tamin’io fotoana io ka nanakorontana. Tsy vitan’izany fa nanao herisetra izy ireo ka nandratra olona tamin’ny antsibe ary lasa nandositra avy eo. Tsy nahalefitra intsony ny vahoaka  ary nitaraina tamin’ny mpitandro filaminana. Efa voasambotra ilay nahavanon-doza ary notanana vonjimaika. Mbola misy namany maromaro anefa mihaodihaody any an-toerana ka anaovan’ny mponina antso avo ny hanenjehana azy ireny sy handrarana azy ireo tsy hiditra ny distrikan’Ambatolampy mihitsy. Voalaza ihany koa fa hatramin’ny nisian’ny Jamami tany an-toerana dia hita fa vao mainka mirongatra be ny halatr’omby.

 

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre