Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Taolagnaro – Bevohoka 7 volana manao aferana taolam-paty

Ramatoa mitondra vohoka 7 volana no voasambotra noho ny halatra sy fivarotana taolam-paty tany Taolagnaro. Olona miisa 5 izy ireo no saron’ny mpitandro filaminana ka ny 4 ambiny lehilahy. Mbola any amin’ny hopitaly manaraka fitsaboana kosa ilay reny mitondra rano saingy efa nilaza ny polisy fa vao sitrana izy dia hitohy ny fanadihadiana azy. Araka ny fantatra dia taolam-paty miisa 40 ahitana taolan-dava sy karan-doha no very tany amin’ny toerana antsoina hoe Antanambao. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny polisy dia fantara ny mombamomba ny lehilahy iray izay sady atidoha no mpivarotra ireo taolana. Natao ny fisamborana nefa tsy nanaiky nolembenana ilay olon-dratsy ka namaly. Tsy nisy fifampitifirana fa totohondry sy tolona ny ady nifanaovan’ilay jiolahy sy ny polisy. Rehefa voafehy ilay jiolahy ka nosavaina dia nahitana basy mahery vaika, poleta ôtômatika sy bala maromaro tany aminy. Izy io indray avy eo no nanondro ny mpiray tsikombakomba aminy izay monina amin’ny tranokely eny amoron-dranomasina. Tratra tao amin’izy ireo ny gony nisy ireo taolam-paty rehetra. Taorian’izay kosa no nahafantarana fa mbola misy mpiray tsikombakomba roa hafa dia ilay vehivavy bevohoka sy ny lehilahy iray hafa. Efa voasambotra avokoa izy 5 ireo ary mitohy ny fanadihadiana. Efa nanao antso avo miantefa amin’ny tompom-pasana vaky ihany koa ny mpitandro filaminana mba haka ny taolambalon’ny razam-beny.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre