Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Ambohipo – Rava ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano

Jiolahy miisa 9 no efa voasambotra ary mbola mikaroka ireo namany sy ny mpiray tsikombakomba rehetra, eny amin’ny faritra Ambohipo sy ny manodidina hatramin’ny omaly maraina ny polisin’ny boriborintany faharoa. Voalaza fa ireo no mpikambana tamin’ilay andian-jiolahy nandravarava teny Ambohipo herinandro vitsy lasa izay. Noraisin’ny polisy ho fihantsiana ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo satria tena tao anatin’ny fotoana nanaovan’ny polisy hetsika manokana no nisian’ny fanafihana. Raha tsiahivina dia nidina ifotony teny Ambohipo ny polisin’ny boriboritany faharoa ka nanidy ireo toeram-pilanonana sy fivarotan-toaka mbola nisokatra taorian’ny tamin’ny 9 ora alina. Nisy ihany koa ny fisamborana olona maromaro izay fantatra fa mpanendaka teny an-toerana. Roa andro taorian’io hetsika io anefa dia nisy ny fanafihana mitam-piadiana ary trano tsy latsaka ny 3 no voatafika sy voaroba. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy nanoloana izany ka izao nitohy tamin’ny fisamborana izao. Fampitam-baovao avy amin’olon-tsotra sy vokatry ny fanadihadiana lalina no nahazoana izany vokatra izany. Nilaza ny polisy fa vonona ny hifampitana ami’ireo jiolahy sy hamongotra hatramin’ny fakany ny tsy fandriam-pahalemana eny Ambohipo.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre