Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Vohimasina – Nitolo-batana ilay mpamono olona

Tsy nisy nahafantatra sy nahita ny zava-niseho fa izy ihany no nitolo-tena tany amin’ny zandary. Tovolahy vao 16 taona monja io nahavanon-doza io ary ramatoa 54 taona ilay matiny. Nlaza tamin’ny zandary izy fa nanao heloka ary nanenina sy matahotra fitsaram-bahoaka ka izay no nankanesany tany amin’ny mpitandro filaminana. Roa andro taorian’izany izy vao nitantara fa nahafaty olona. Ramatoa iray izay tsy fantany akory fa saika hendahiny io matiny io. Tsy nieritreritra ny hamono izy fa saika handroba kinanjo niaro tena mafy ilay lasibatra ary nisy ny ady teo amin’ny roa tonta. Lehilahy sy vehivavy anefa ary antitra sy tanora ka maty tsy nahy ilay renim-pianakaviana tsy nanan-tsiny. Nanamarina avy hatrany ny zava-nisy ny mpitandro filaminana ary hita tao anaty kirihitra ny fatin’ilay ramatoa. Efa nitantara tsy nanontaniana ny zava-nitranga rehetra ilay nahavanon-doza sy efa nitolo-batana ihany koa ka tsy nisy intsony ny olana tamin’ny fizotry ny famotorana. Efa nantsoina ny havan’ny maty ary natolotra ny fianakaviana ny razana. Ilay tovolahy kosa dia nafindra any amin’ny kaompanian’i Manakara mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre