Malagasy manaja vazaha
Milaza ny hanao filaharam-be am-pahanginana ao afivoan-tanànan’Antananarivo ny frantsay sy ireo olona akaiky azy ireo anio. Ho fanehoana ny firaisan-kina manoloana ny famonoana mpifankatia frantsay tany amin’ny nosy Ste Marie no anton’izany. Tsy misy maharatsy ny ehtsika toy izao saingy mampalmetram-panontaniana ny maro ihany ny fanajàna ny lalàna eto Madagasikara. Hentitra tanteraka mantsy ny fitondram-panjakana izay mamerimberina fa tsy azo atao mihisy ny manao hetsika an-dalam-be tsy nanaovana fangatahan,a sy tsy nahazoana alalana. Raha ny re farany anefa tamin’ny alakamisy teo dia tsy mbola nametraka izany fangatahana hanao hetsika izany ireo frantsay hanao filaharam-be. Odian’izy ireo tsy fantatra ny lalàna izay mamaritra mazava fa tokony hapetra mialohan’ny 48 ora alohan’ny hetsika io fafangatahana io. Raha ny tokony ho izy aizay jerena amin’ny sainga tsymiangatra dia azo antoka fa nahazo fahazoan-dalana hilahatra eny Analakely ny frantsay raha toa ka nametraka fangatahana hanao izany. Tsy nisy anefa izany tao anatin’ny fe-potoana voatondro. Izany hoe tsy ara-dalàna io hetsika io. Mipetraka ary ny fanontanian’ny maro izay miandry ny fandarisana andraikitry ny prefektioran’Antananarivo sy ny mpitandro filaminana ao amin’ny EMMOREG. Ho sahy handrava io hetsika io ve ireo tompon’andraikitra ireo? Sa ny malagasyihany no voarara tsy mahazo manao hetsika eto an-tanindrazany. Nisy vondrona politika nanao fangatahana hanao fivoriana tao Mahamasina mantsy nanao fangatahana fahazoan-dalana nefa tsy nahazo izany.
Tahotra ve sa fanavakavahana sa tena fampisehoana ny toe-tsaina malagasy manaja vazaha ny tranga toy izao? Tsy teto andrenivohitra ihany mantsy ny franstay no nanao filaharaùm-be fa tany amin’ny toeran-kafa toa an’i Ste Marie sy Mahajanga ihany koa. Tsy misy maharatsy izany hetsika izany saingy kosa misy lazaina ombieny ombieny fa tany tan-dalàna I Madagsikara ka tokony manaja sy ampiharana izany ny rehetra. Tsy tokony hipetraka eto ny mizana tsindrian’ila ka rehefa vazaha dia mahazo midina an-dalam-be fa rehefa malagasy dia voarara. Ny fomba fanao toy izany ihany nop mahatonga ny vahoaka malagasy hankahala ny vahiny sasany.
Na ireo nosy manodidina, indrindra fa I La Réunion sy Maorisy aza dia tena tsy tahotra tsy henatra mihitsy mivoy amin’ny serasera fa olon-tsy vanona sy mpamono olona ary olon-dia ny malagasy. Rehefa tena dinihina anefa ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana dia misy vazaha ihany tafiditra amin’ireo mpifankatia frantsay tsy nanan-tsiny. Sahin’ireo Nosy manodidina ireo no manambany sy tena manivaiva ny vahoaka malagasy izay tsy nanao na inona na inona azy ireo. Rehefa tena jerena aza ny zava-misy dia manameloka 100% iny famonoana bazaha tao Ste Marie iny ny vahoaka malagasy iray manontolo. Mpanaja vazaha ny malagasy ary tsy mba manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny izany. Ny mifanohitra amin’izay ary zava-lmisy satria ny vazaha no tena mpanao tsinontsinona ny malagasy. Manaporofo izany ilay franstay lahiantitra nahafaty ankizivavy tany Mahajanga ary tsy te hahalala fa nandositra tany Ste Marie. Eo ihany koa ilay vazaha lahy mpandrongony nidaroka olona teny Analakely…santionany ireo fa mbola mitondr atena toy nyandriamanitra latsaka fahefany ny zavaha rehetar any amin’ny orinasa sy fikambanana maro samihafa any nefa manaiky lembenana ny malagasy satria tia manaja vahiny. Hatramin’ny mpitondra Fanjakana aza no milefitra sy mody mangingina rehefa ny vazaha no manao ny tsy mety. Efa nolazaina mazava izao fa tsy azo atao ny manao hetsika fanehoan-kevitra eny an-dalam-be ary ravan’ny EMMOREG izay manao izany nefa io fa avela hanao an-kalalahana ny frantsay. Ny mpanao gazety anefa mba nanao toy izany ihany koa ka nandefasana mpitandro filaminana am-polony maro. Tsy mahagaga ihany anefa izany rehetar izany rehefa tena dinhina satria ao anaty laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola tsy nisy manam-pahefana kosa niteny fa laharampahamehana ny fanomezana fahalalahana ny vahoaka malagasy.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







