Africa endeavor – Lasa mahay baikon-tanana ny komando malagasy
Nifarana omaly rehefa naharitra hadimiana ilay fammpiofanana nomena ny miaramila malagasy sy afrikanina izay natao teto Madagasikara. Tafiditra tamin’ilay tetikasa Africa endevor izy io ka nomena lanja tamin’izany ny resaka fifandraisana. Nanao fampiharana sy fampisehoam-pahaizana ireo mpiofana omaly ka tafiditra tamin’izany ny baikon-tanana rehefa hanafika. Toy ireny amin’ny filma komando ireny mihitsy ny zava-niseho satria tsy misy mieny ireo miaramila fa mitsaitsaika manantona tsikelikely ny toby ho tafihina ary ny ratsan-tanana fotsiny no ahetsiketsika sy hanondroana ny maso ary hifampibaikoana. Zava-dehibe amin’ny fahombiazan’ny vonjy taitra sy fanafahana takalon’aina eo ampelatanan’ny fahavalo ny toy izao hoy ny lehiben’ny miaramila. Ankoatra izany dia nianatra momba ny fifehezana ny teknolojia avo lentan’ny fifandraisana ihany koa izy ireo. Nomena lanja lehibe tamin’izany ny fifehezana sy fanaraha-maso ny tambazotram-pifandraisana izay efda lasa fitaovcam-piadiana mahery vaika ampiasain’ny fahavalom-pirenena amin’ny asa fanakorontanana. Nanambara ny miaramila amerikanina izay nitarika ny fampuiofanana fa fizarana traikefa sy fifanampiana no natao fa tsy sanatria fitsabahana amin’ny resaka fiarovam-pirenena eto Madagasikara. tsiahivina fa nanome sambo kely haingam-pandha iray ho fanampiana ny fiarovana ny sisin-tany sy ny fari-dranomasin’i Madagasikara ry zareo amerikanina.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







