Vous êtes ici :

Dimanche 07 Décembre 2025

ombre

Brickaville – V8 nahafaty olona iray sy nandratra olona 4

Nandravarava mihitsy ny fgiara 4×4 Toyota V8 miloko fotsy tany Brickaville. Araka ny tatitry ny zandary dia nandeha mafy io fiara io ary nifaoka lehilahy iray 32 taona  nandeha tongotra ka maty tsy tra-drano io. Tsy vitan’izany fa mbola nandona fiara iray Renault Espace izay nitondra olona miisa 09 nijanona teo amoron-dalana io ihany koa ilay 4×4 avy eo. Ny 04 amin’izy ireo dia naratra mafy ka noentina any amin’ny Hopitaly Brickaville. Sarotra hinoana aloha raha fiara raitra toy ny Toyota Labnd cruiser V8 no hanana olana ara-tekinika. Mazava ho azy fa tsy maintsy vokatryt ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandreman’ny mpamily no nahatonga ity loza ity. Nanararaotra ny hatsara sy ny tajaky ny fiara ka nandeha mafy ary izao tsy voafehy izao.

Na dia miezaka mafy ny hanao izay hampihenana ny lozam-pifamoivoizana amin’izao vanim-potoan’ny fialan-tsasatra maha-betsaka ny fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena izao aza ny zandary dia mbola betsaka ihany ireo mpamily tsy voafehy. Ny zandary rahateo tsy afaka ny hanemitra ny lalam-pirenena rehetra fa fampatsiahivana sy torolalana hisorohana ny loza no ataon’izy ireo.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre