Fanakanan-dalana – Maty voatifitra ny mpamily
Miseholany indray ny fanakanan-dalana miaro vono olona amin’ny lalam-pirenena. Taxi-brousse 03 nisy nanafika amin’ny lalana hivoka RN4, maty voatifitra ny chauffeur iray. Tsy nangalatra na nandroba ireo jiolahy fa rehefa avy nitifitra nahafaty ilay chauffeur dia lasa nandositra. Nidina haigana any an-toerana ny kaomandà ao Tsaratanana sy ny zandary maromaro hijery ifotony ny zava-misy sy nanao ny fanenjehana. Ny ena mahagaga dia efa lasa fahazaran’ireo jiolahy ny tsy mandroba fa mitifitra sy mamono mahafaty fotsiny. Toa izany ihany koa mantsy ny nanjo ilay tovolahy karana teny Besarety. raha tsiahivina dia maty notifirin’ny jiolahy ilay zazalahy ary lasa nandositra ry zareo avy eo nefa voalaza fa nisy volabe tao anatin’ilay fiara. Toy ny hoe manao asa fampihorohoroana fotsiny aloa ireo olon-dratsy mba hampitandremana ny vahoaka fa hisy fanafihana mahery vaika hisesisesy. Tombatombana ihany anefa izany ny fa ny mpanao fanadihadiana irery ihany no afaka manao fanambarana ny tena zava-misy marina manoloana ity tsy fandriam-pahalemana mirongatra be ity.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







