Fandriana – Lasan’ireo jiolahy hatramin’ny sigara
Toeram-pivarotana indray no voatafika tany fandriana. Nahery vaika ny fanafihana ary nahazo volabe ireo jiolahy tamin’ity tranga ity. Dahalo miisa 03 nitondra basy nanafika mpivarotra ka vola 3 tapitrisa Ariary sy sigara 4 baoritra no voaroba. Naratra voakapoka tamin’ny vatomizana ilay lehilahy tompon’nyu toeram-pivarotana ary voadona tamin’ny lamosiny ramatoa vadiny. Nisy olona sendra nandalo ihany koa naratra. rehefa tonga teny an-toerana ny zandary dia hita teny an-toerana ny vodim-bala miisa 02 amin’ny 7.62mm. tsy namaly ireo mpivaroitra fa raha toa ka nanohitra ireo jiolahy dia mety notifirin’izy ireo ho faty mihitsy raha izao zava-nitrangha izao. Ny zandary ao Imito no manao ny famotorana amin’ity fanafihana mitam-piadiana narahina herisetra sy halatra ity. Mety ho lalana iray hanamora ny fanadihadiana ny fanaraha-maso ny fivarotana sigara any an-toerana. Mazava ho azy mantsy fa tsy maintsy hamidin’ireo jiolahy ireo sigara marobe norobainy fa tsy ho fohany avokoa.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







