Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Antsirabe – Vehivavy adala maty teo am-piterahana

Vehivay iray tokony ho 30 taona eo ho eo no maty teo am-piterahana ny sabotsy 27 aogositra tolakandro, teo atsimon’ny Lisea André Resampa Antsirabe. Tsy nisy nanampo ny olona fa hiteraka ity tovovavy ity raha nahita azy nidina tao anatin’ny tatatra maina tsy misy rano, teo an-tsisin-dalana. Hay moa nihetsi-jaza izy. Ny tongotr’ilay zaza no nivoaka mialoha . Araka izany dia saro-piterahana ilay tovovavy, izy rahateo niady irery tsy nisy nanampy. Vokany, tsy tafavoaka fa tavela teo anelanelan’ny feny ilay zaza ary niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zaza ka nanaraka ihany koa ny ain-dehibe.

Araka ny fantatra dia toa hoe avy any Ibity, distrikan’Antsirabe II no fiavian’ity tovovavy ity ary vao haingana ihany no nahitan’ny mponina azy nirenireny teto Antsirabe.
Ny polisim-pirenena sy ny Bmh moa no naka ny razana ary mety halevina eny amin’ny fasam-bahinin’ny Kaominina ny razana. Nanao rakitra moa ny olona teo amin’ny manodidina teo nahafahana nividy lamba namonosana ny razana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre