Marolambo – 1 volana isan- taona no azo andehanana ny lalana
Distrika iray ao anatin’ny faritra Atsinanana no misy an’i Marolambo izay aty amin’ny tapany farany atsimo. Any no tena azo lazaina fa tany lavitra andriana satria tsy mbola nahita lalana vita tamin’ny tara na goudron ny mponina any, hatramin’ny naha-firenena an’i Madagasikara. Fomba roa no ahafahana mihazo an’i Marolambo dia eo aloha ny fifandraisana an-tanety. Rehefa mahazo an’Antsampanana ny fiara dia mamonjy an’i Vatomandry, eo amin’ny 55 km eo ary avy eo dia manohy mianatsimo mankany Mahanoro izay mielanelana 92 km. Eo amin’io distrika io indray no mitodika miankandrefana mamonjy ny distrikan’i Marolambo izay lalana 130 km. Ity tapany farany ity izany no tiana ambara eto satria raha fiarakodia no resahina dia tsy mety ho tafita mihitsy, na dia irony 4×4 matanjaka irony aza no ampiasaina. Ny hany tody amin’ny renovohitr’ity distrika ity dia irony trakitera irony ary dia io mihitsy moa no fitaovam-pitaterana misy any an-toerana. Kanefa na izany aza dia tsy vita indray andro ihany koa ny 130 km voalaza etsy ambony fa mila mandry an-dalana indray alina any ankebakeban-tany any ny mpandeha. Araka izany, efa mivonona amin’ny lamba firakotra, ankoatra ny entana izay tsy azo atao betsaka ihany koa anefa, ireo mponina. Ny aro orana ihany koa tsy azo hadino satria faritra mando lava iny toerana iny ary tsy maintsy arovana tsara ihany koa ny entana rehetra hoentina. Mazava noho izany fa tena ratsy dia ratsy tokoa ny lalana mampitohy an’i Mahanoro sy Marolambo izay tanàna sokajiana ho faran’izay mahantra amin’iny faritanin’i Toamasina iny. Tsotra ny antony : sarotra dia sarotra ny mamoaka ny vokatra ; zara raha misy amin’ny sobika vitsivitsy ny vokatra tonga any Mahanoro raha ny marimarina kokoa. Noho izany, fahantrana lalina mahazo ny mponina izany dia ankavitsiana foana ny olona afaka mandoa ny saran-dalana amin’ny trakitera fa ny 90 isanjaton’ny vahoaka misafidy ny mandeha an-tongotra ka mamonjy ny kaominin’Ambohitompoina ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Io tokoa no lalana akaiky raha hamonjy ny renivohitry ny nosy kanefa be ihany koa ireo misafidy azy na dia ho any Toamasina ihany koa aza.
Fa misy ihany koa ny fiaramanidina mandeha in-droa isan-kerinandro mihazo an’i Marolambo. Tsy an’ny kaompania nasionaly Air Madagascar akory fa an’ny antokom-pinoana iray miasa ho an’ny sosialy any an-toerana. Ireo mpamita iraka avy amin’ny fanjakana na ihany koa ireo “organisme international” no tena mampiasa azy itynoho izany manana toeram-piantsonana manokana ity distrika ity. Ny somary mahazendana kely fotsiny dia eny an-tampon-tendrombohitra no misy io “aerodrome” io kanefa dia hain’ireo mpanamory vahiny tsara ny miantsona sy miainga amin’izany toerana sarotsarotra izany.
Fa raha iverena ny fitaterana an-tanety mihazo an’i Marolambo dia nisy tokoa ny atrik’asa izay notarihan’ny lehiben’ny faritra atsinanana nentina hanampiana ireo tompon’andraikitry ny asa vaventy any an-toerana amin’ny fanatsarana ny lalana tamin’iny herinandro lasa iny. Ho hita eo araka izany raha toa ka mba hisy tokoa ny fanamboarana satria dia efa tena mijaly loatra ny mponina any an-toerana.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







