Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Madauto Toamasina – Sarona ireo namaky magazay

Ho tohin’ilay raharaha halatra entana maro isan-karazany niseho ny alin’ny alatsinainy 11 hifoha ny talata 12 jolay 2016, tokony ho tamin’ny 2 ora latsaka fahefany tany ho any tao amin’ny orinasa Madauto Tanandavaka Toamasina faharoa. Nanjavona tamin’izany avokoa ny bateria miisa 28 sy ny entana hafa toy ny solika sy ny hafa. Nidina nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena Toamasina. Voalaza fa ireo mpiambina tao ihany no nanao ny halatra,ka lasa nitsoaka nandositra niaraka tamin’ny entana nangalarina avy eo. Tsy nisy tratra izy ireo tamin’izany.  Herinandro taorian’io, voasambotra tao Mananara Avaratra ny iray tamin’ireo mpiambina izay antsoina hoe Claude Branky, ary efa voatazona vonjimaika ey am-ponja (MD) amin’izao fotoana izao. Ny zoma 26 aogositra lasa teo, tamin’ny 2 ora tolakandro dia voasambotra ihany koa i Serge Bruno. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia voasambotra ny sabotsy 27 aogositra 2016 i Solo Raymond, mpamily fiarakodia mitondra ny laharana 5071 , izay efa voatazona ao amin’ny borigady io fiara io. Teo indray no nahafantarana fa roa ny mpamily tamin’io, ka Rasolo Clément ilay faharoa, ary ny fiara laharana 5708 AF ny fitondrany izay efa voatazona ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria ihany koa. Misy ihany mpamily voatonona anarana toa an’Andriantsoa Sergio Christophe, sy Herilaza. Mitohy ny fanadihadiana.

Zouzou Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre