Lelon-jaza !
Mitranga mihemotra, hoy ny filazan’ny olona azy ary dia toa sahala amin’izay mihitsy no ataon’ilay mpitarika ny Antso ho an’ny fanavotam-pirenena iny. Nahoana tokoa angaha hoy ianao ? Herinandro telo lasa izay dia nanao angoan-tenda tamin’ireo hainoamanjery sy ny gazety maro samihafa ny tovolahy fa hirotsaka an-dalam-be ka izay sahy manaraha. Namboarina kely mihitsy aza ny fitenenana fa tsy eny an-kianja malaza be iny no fotoana fa eo amin’ny araben’ny fahaleovantena. Mazava fa azon’ny rehetra ny tian-kambara amin’ilay sarin-teny. Namaly bontana ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ilay jeneraly manam-boninahitra iny izay nilaza fa midira ary eny an-kianja dia hifankahita eo kanefa ny ampitson’io andro io ihany, izany hoe iray andro talohan’ny fotoana nifanomezana, niseho tamin’ny hainoamanjery indray ranamana ka nilaza fa tsy misy antony tokony hampihemotra azy sy ny mpiara-dia aminy. Nitoetra tsy voafafa araka izany ny fanasana ny mponina rehetra hiara-dia amin’ilay hetsika. Dia maro no nitehaka fa izany tokoa ka tena lehilahy, sahy mijoro amin’ny teniny ary vonona hiatrika ny herim-pamoretana. Velom-panantenana ihany koa ny rehetra fa hanomboka amin’izay tokoa angaha ny ady sady etsy andaniny, ny vahoaka tofoka be ihany amin’ity fitondrana tsy hita hoe mankaiza sy nitondra inona ho an’ny isam-batan’olona sy ny isan-tokatrano ity. Raha izay no izy dia mety hifanojo eny an-toerana izany ny tsy tia sy ny tsy manina ka mety ho vetivety dia hirehitra ny aingam-panahy sy ny tora-po.
Mazava ihany koa fa tsy hiandry hitanatana vava fotsiny akory ny ankilany ary efa nivonona amin’izay tranga rehetra ihany koa. Rehefa samy mailo ary dia nomen’ireto be baoty ny don-tandroka vao maraina ranamana voalaza fa mpikarakara tetsy ambony satria dia tonga marobe teny an-tranony ra-miaramila isany saika hanao sarika am-pandriana. Efa zatra ady anefa ny tovolahy ka nandry an-tsaha ny alina. Saingy rehefa nahay niala iny fandrika iny kosa dia nanao lalam-poza nisitrika tanteraka ary dia namela teo ny voady izay natao, hany ka nihanjahanja teny an-kianja ireo mpanara-dia sy ny vahoaka saika voatarika, izay nanoloana ireto miaramila zavon-tany. Ny harivarivan’io andro io dia nandeha indray ny fanentanana amin’ny alalan’ny teknolojia fa rahampitso sabotsy indray no … tena fotoana ka miomana araka izany ny rehetra. Inona akory anefa no teo rehefa tonga ny ampitso fa mbola tsy hita indray ranamana nilokaloka ny “aleoko maty”, ny rehetra ihany koa somary nisalasala be ihany ka ireto mpitandro filaminana vitsivitsy sisa no tazana teny ambody kininin’ny araben’ny fahaleovantena, no sady nananihany ireo tovovavy nandalo.
Taorian’izay, somary nangingina ny tovolahy nandritra ny andro maromaro saingy asa na mbola te-hiseho amin’ny fahitalavitra indray ka nanambara ny alakamisy farany teo fa izay vao tena izy ary tsy mihemotra intsony. Mazava fa be ny olona no somary gagagaga ihany no nanao jery vilana ilay antso tao anaty facebook tao. Mazava ihany koa fa be ireo niteny ratsy anakam-po nilaza fa tsy misy ho azon-drangahy intsony eo. Ary dia inona tokoa fa dia nangadihady ny teny amin’ny arabe tamin’ny fotoana nifanomezana, izany hoe ny sabotsy lasa teo izany. Na ireo mpitandro filaminana aza zara raha nihetsi-bolomaso akory ka tsy nahitana irony fiara tsy mataho-dalana ampiasain’izy ireo intsony teny amin’ny toerana voalaza etsy ambony. Akory anefa ny hagagan’ny rehetra raha nahita ilay ranamana teny ambony sehatry ny “Mitsangana ry Malagasy” teny Andrefan’Ambohijanahary io andro io ihany ary tamin’ny ora nifanaovana fotoana tamin’ny vahoaka mihitsy aza. Tsy vitsy no niloa-bava fa izany tokoa ka mpanao politika amin’izato poli…fika ataony, tsisy tahotra sy henatra fa dia eo anatrehan’ny besinimaro izay nahatsiaro manokana ilay toky fampanantenana amin’ny famahana ilay olana saro-bahana ao anatin’ny enim-bolana.
Kanefa anie dia “fanavotam-pirenena » izao no resahina eto fa tsy mba hoe tokim-pitiavana atao amin-jazavavy e ! Asa aloha izay tena hevitra fonosin’io teny io ho an’ity tovolahy resahina eto ity fa ho an’ny maro dia ny tombontsoan’ny valalabemandry miisa 20 tapitrisa mahery no iantefan’ny teny, raha ny fahalalan’ny maro azy. Izany hoe ny fiandrianam-pirenena, ny kolontsaina, ny fahaleovantena ara-toe-karena, ny maha-firenena tan-dalàna, ny fahaiza-mitantana ihany koa dia voakasik’izany resaka fanavotam-pirenena izany avokoa. Lalina araka izany ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny vahoaka raha miresaka ity tovolahy toa sahy nanandrakandram-poana ity ary inoana fa raha ranamana io no milatsaka hofidiana dia na ho sefo kartie aza tsy ho lany mihitsy. Tsy tian’ny Malagasy tokoa mantsy ny olona manao itony fomba mitranga mihemotra itony ary mitory tsy fahamatoran-tsaina ho an’ny maro. Ka raha lelon-jaza kosa aloha, aleo hividianana mosoara e, sady ilay karazany taratasy antsoina hoe mouchoir à jeter irony, 500 ariary dia mahazo. Aleo araka izany miala lavitra ny karazan’olona toy itony fa maha-mantsina tolona fotsiny!
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







