Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ankazobe – Namoatsampona indray ny sprinter

Azo lazaina fa taonan’ny loza aterak’ireo mpamily fiara “sprinter” ity taona ity raha tsiahivina vetivety ny lozam-pifamoivoizana naterak’ity fitaovam-pitaterana iray ity. Efa betsaka ny olona namoy ny ainy ary aman-jatony maro ny mitondra takaitra mandrakizay. Vola be ihany koa no lanin’ny fianankaviana maro nandevenana ny havany na ihany koa nitsaboana ireo maratra kanefa izany rehetra izany dia mbola tsy nandraisan’ireo mpamily ny fiara sprinter sasany lesona ihany ka mba hitandrina misimisy kokoa amin’ny fiarovana ny ain’ireo mpandeha. Raha ity tranga niseho tamin’ny lalam-pirenena fahefatra ity ny sabotsy teo, ohatra, no resahina dia afaka nialàna tokoa ny loza saingy…

Ny sabotsy 27 Aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, tao amin’ny commune Ambohitromby dia nisy sprinter iray nandona moto mitondra ny marika Honda 125cc.
Raha  ny voalazan’ireo nanatri-maso dia nandeha mafy ilay fiara nandona. Nifanarakaraka tamina sprinter iray hafa avy any Maevatanana ho any Antananarivo ity Sprinter ity. Niseho samy mahay ka nifanenjika. Izany tokoa ny hoe misangy loza sy mitsapatsapa ny herin’ny fiara. Tonga tokoa ny tsy nampoizina satria nijanona tampoka ilay fiara teo anoloana. Niezaka niala ity loza voalohany ity ilay ranamana mpamily tato afara ka nanao “dépassement”.  Kanjo nisy moto nitsidika nanoloana azy, noho ilay fandehanana mafy anefa dia tsy tafajanona. Tsy afa-niala ihany koa ilay moto. Noho izay fifandonana izay dia naratra mafy ireo roa lahy nitaingina ilay kodiara-droa ka ny iray tsy nahatsiaro tena mihitsy. Teo ihany dia nalefa notsaboina maika tany amin’ny hopitalin’Ankazobe ny naratra. Raha ny hita maso dia potika tanteraka ilay kodiaran-droa raha tsy nisy fahasimbana firy kosa ilay Sprinter. Ny zandarimaria Ankazobe no nanao ny fizahana sy ny famatorana noho io lozam-pifamoivoizana io.

Volana S.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre