Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fanantanjahatena an-tsekoly – Nanjakan’ny mpianatra avy any Atsimo Andrefana

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy lasa teo ny fifaninanam-pirenana amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly “Sport scolaire”, “Fanalo 2016”. Ny solontenan’ny mpianatra avy amin’ny Lehiben’ny sampan-draharaham-paritry ny fanabeazana (Dren) Atsimo Andrefana no nandrombaka medaly betsaka indrindra eo aminy filaharana eo amin’ny faritra roa amby roapolo nandray anjara . Volamena sivy sy alimo roa teo amin’ny fifaninana olon-tokana. Mbola izy ireo ihany koa no nitàna ny laharana voalohany tamin’ny taranja iombonana, izay nahazo medaly volamena roa sy volafotsy iray.

Teo amin’ny laharana faha enina kosa no nisy ny faritra Anôsy mpampiatrano  medaly volamena roa, volafotsy iray teo amin’ny taranja an’olo-tokana ary faharoa teo amin’ny taranja iombonana miaraka amin’ny medaly volamena roa. Hoan’ireo solontenan’ny faritrt ny renivohitra kosa dia tany amin’ny laharana faha roa ambin’ny folo no nahitana azy ireo teo amin’ny taranja ho an’olon-tokana nahazo medaly volamena iray sy volafotsy telo ary alimo roa. Alimo iray no azon’ny Dren Analamanga teo amin’ny taranja iombonana. Nihemotra lavitra raha ampitahaina tamin’ny fifaninanana tamin’ny taona lasa izany. Ny faritra Itasy kosa no nitana ny rambony amin’ny filaharana satria tsy nahazo medaly na iray aza ramin’ny sokajy rehetra.

 

Be ny tsy fahatomombanana

Tamin’ny lanonam-paranana kosa no nahalalana fa ny “federation omnisport Scolaire De Madagascar” no handray antanana ny fikarakarana ity Lalao nasionaly ny Fanatanjahantena an-tsekoly ity amin’ny taona ho avy izay hotanterahina any Fianarantsoa. Be ny tsy fahatomombanana tsikaritra raha nampitahana tamin’ireo lalao izay efa nisy teo aloha. Nisongadina indrindra ny fahamaroan’ireo mpianatra nianto-tena tamin’ny famonjena ny lalao tany Taolagnaro. Noho ny fahalaviran’ny toerana dia tsy zakan’ny ministera ny famatsiana ara-bola ireo mpandray anjara. Raha tokony ho 80 isaky ny Dren dia nihena hatrany amin’ny telopolo izany. Teo ihany koa ny trano fonenan’ny mpianatra, izay nandraisana ireo mpifaninana, izay tena tsy zarizary satria fotodrafitrasa vonjimaika ihany. Maro ny fangalaran-taona sy ny korontana tsikaritra toy ny niseho teo aminy famaranana baolina kitra sokajy Benjamina nihaonan’ny Dren Atsinanana sy Boeny tamin’ny zoma lasa teo.

 

Safidy Kanto

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre