Toamasina – Eklipsa 2016 – Polisy 25 hanampy amin’ny fitandroana ny filaminana
Mba hampirindra tsara ny fanarahan’ny vahoaka ny fisehon’ny eklipsa eto Toamasina ny alakamisy 1 septambra ho avy izao, dia misy ny lamina apetraka ataon’ny polisim-pirenena mialoha, mandritra sy aorian’izany, ka ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny “directeur de la sécurité publique” miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky eto an-toerana mihitsy no nanome fanazavana ho fanentanana ny rehetra. Nisy ny dinika nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny hotel “Splendide” Salazamay, ny harivan’ny alahady 28 aogositra lasa teo, izay nampahafantarana ny hetsika hotontosaina. Nambaran’andriamaoa minisitra fa ilaina ny fandraisana andraikitry ny rehetra ho amin’ny fanentanana, ka ho an’i Toamasina manokana dia hisy ny fanatevenana (renfort) ho an’ny polisy, izay miisa 25 ary efa tonga any an-toerana. Haharitra herinandro ny fijanonan’izy ireo any an-toerana mba hanatsara ny vokatry ny fandriam-pahalemana. Maro ny fitaovam-pifandraisana ahafahan’ny mponina mianoka ity tranga ity, toy ny fahitalavitra, ny radio, ny sms, fa ireo polisim-pirenena kosa hiparitaka amin’ny distrika rehetra satria aleo misoroka toa izay mitsabo hoy hatrany ny minisitra ka dia hifandray mivantana amin’ny vahoaka izy ireo. Nampahafantarina ny rehetra ihany koa ny voka-dratsin’ny fijerena eklipsa tsy misy solomaso voatokana.
Zouzou Toamasina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







