Vous êtes ici :

Samedi 13 Décembre 2025

ombre

Tamami – Lalàm-panorenana vaovao no vahaolana

Nohamafisin’ny antoko politika Tamami tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny harivan’ny alahady 28 aogositra 2016, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Toamasina renivohitra fa tsy misy afa-tsy ny  fanaovana fifidianana ny lalam-panorenana vaovao no vahaolana mahomby amin’izao krizy mianjady amin’ny vahoaka malagasy izao. Nambaran’ny filoha Samiary Florio fa ny Tamami dia antoko politika mpanohitra izay manara-maso ny raharaham-pirenena, mitsikera sy mitondra fanatsarana. Navoitran’ny Tamami fa tsy vahaolana ny fidinana an-dalam-be sy ny fanonganam-panjakana fa io soson-kevitra aroson’izy ireo io ihany no vahaolana mahomby indrindra. Mihazakazaka ny mpanohitra isan-tsokajiny hoy hatrany ny filoha fa ny Tamami dia manentana ho amin’izay heveriny ho ara-dalàna. Ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao ny 2018 dia endrika famindram-pahefana fotsiny ihany izay manome tombony ho an’ny mpanam-bola sy ny vahiny. Koa manentana ny rehetra ny antoko, na ny vahoaka, na ny mpanao politika, sy ny hafa mba samy hiombom-peo ho amin’ny fanatanterahana izany fa izay no vahaolana maharitra sy mahomby. Raha ny fifidianana filoham-pirenena no mandeha mialoha dia hisy ny krizy, ka aoka ny malagasy samy hiray feo mba ho tombontsoa ny vahoaka fa fotoanan’ny firaisan-kinam-pirenena izao.

 

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre