Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Eklipsa masoandro !

Nalaza vetivety ity resaka eklipsa sy ny solomaso manokana ilaina aminy ity ary tena rariny tokoa raha ankalazaina satria araka ny voalazan’ireo manam-pahaizana siantifika dia mety ho lasa vahoaka jamba ireo tsy manana 1 500 ariary. Raha ny tahan’ny fahantrana lalina eto amintsika aloha dia tena avo dia avo mihitsy, ny 92 isan-jaton’ny mponina, izay tsy mahazo afa-tsy latsaka ny roa dolara amerikanina isan’andro. Manodidina ny 5 000 ariary isan’andro izany ary dia io no entina hamelomana ny tokantrano ka hangalana ny hividianana vary sy laoka, arina fandrehitra, rano handrahoana sy hanasana ny fitaovan-dakozia ary hidiovana ihany koa, handoavana hofan-trano sy ny sisa marobe tsy voatanisa, indrindra amin’izao fotoana manakaiky ny fidiran’ny mpianatra izao. Io 5 000 ariary io indray izany no hangalana 1 500 ariary ho an’ny isam-batan’olona ao an-tokatrano manomboka amin-dry dadabe, ry bebe, ry dada sy mama, ry zoky sy zandry isany. Ka inona sisa izany no hijanona hohanina ? Ho tanteraka araka izany fa mety ho vahoaka jamba no hameno an’i Madagasikara atsy ho atsy kely ary mazava ho azy fa ho vesatra ho an’ny fiarahamonina sy ny fianankaviana ary ho an’ny fanjakana ireto izy.

Vinavina daholo ihany aloha izany rehetra izany fa raha toa kosa ampitahana tamin’ny eklipsa ny taona 2001 dia mahatadidy ny maro fa nozaraina maimaimpoana ity solomaso manokana ity ary hatramin’izao taona 2016 izao  dia mbola tsy naheno ny mpanoratra fa nisy olona jamban’ny tara-pahazavana tamin’iny fotoana iray iny. Be araka izany no mieritreritra fa aleo lavitra ny fanjakana nitrosa nividy ireo solomaso ireo ka nizara maimaimpoana izany tamin’ny vahoaka toy izay maka vola any ivelany any ka ampiasaina amin’izao tetikasa tsy mamokatra rehetra izao. Marina tokoa izany satria amin’ity indray mitoraka ity anie ka ny fahasalamam-bahoaka mihitsy no voakitikitika ary tsy ela ny sazy dia mihatra.
Fa nofinofy ihany daholo izany satria rahampitso ilay fotoana amin-dramatoa volana mba hanakonany vetivety amin’ny ampahany na ihany koa feno tanterana an’ingahibe masoandro. Nofy tokoa satria tsy ho tanteraka ao anatin’ny indray andro farany intsony izay tsy tanteraka tao anatin’izay fotoana nankalazana ity eklipsa ity izay. Tsy ho vita intsony mihitsy ny handeha hizara izany any ambanivohitra rehetra any no sady tsy niomana tamin’izany rahateo ny fitondram-panjakana ka hampiasa ireo ratsa-mangaika marobe manerana ny nosy ka mandalo ny rafitry ny faritra sy ny kaominina ary ny fokontany,  mipaka any amin’ny isam-baravarana. Vetivety ihany tokoa, araka ny voalaza etsy ambony, hoy isika, satria maharitra ora vitsivitsy monja ilay tranga kanefa dia mety hitondra aizina mandrakizay ho an’ireo izay mba te-hijery kanefa tsy manana 1 500 ariary. Ny hany sisa safidy mitoetra amin’ny maro izany dia ny manakatom-baravarana sy ny manidy varavarankely ary dia misalobona anaty bodofotsy, ny andro rahateo mamirifiry raha ny eto an-drenivohitra. Izay hevitra izay, araka izany, dia sady ady amin’ny hatsiaka nefa mety ihany koa hiadiana amin’ny hanoanana sedraina isan’andro no hialana amin’ny fahajambana araka ny resaka eto.
Fa rehefa dinihina tokoa ity tranga miseho mandritry ny eklipsa hiseho ny alakamisy 01 septembra 2016 ity dia mampatsiahy ny fiainan-dramalagasy iray manontolo, indrindra izay niainany nandritra izay taona vitsy izay. Nahoana tokoa angaha hoy ianao, satria dia fihafiana sy fahoriana lava izao no iainana isan’andro vaky: ny kibo noana, ny tena mitafy voron-kitsay, ny karama vary masaka, ny ankizy tsy mandia fianarana, sy ny sisa tsy hay tanisaina. Etsy andaniny anefa ny mpitondra migalabona anatin’ny harem-be sy ny fihinanam-be isan’andro. Raha izany tokoa no izy dia efa ela no takona ny anjara masoandron-dramalagasy valalabemandry mpitrongy vao homana ary tsy ramatoa ravolana no nanakona azy fa olombelona ihany ary ny tompon’andraikitra voalohany amin’izany dia ireo mitovy rà aminy ihany. Ny tena mampahory ny sain’ny vahoaka dia tsy mba misy akory fanafody entina hanamaivanana ny fanaintainan’izany fahantrana lalina izany na koa solomaso manokana azo vidiana, eny fa na dia hovidiana 1 500 ariary isam-batan’olona aza. Ny hany sisa azo atao dia ny miaritra aloha, sahala amin’ny filazan’ny tanora azy hoe : « miaritra kely dia lahy kely » ! Tsy azo antenaina kosa aloha ny hoe ho vetivety izany andro sarotra lalovana izany ka hoe haharitra ora vitsivitsy toy ny fandalovan’ny eklipsa rahampitso. Ny marimarina kokoa aza dia ny hoe mety hatramin’ny fandaozana ny tany mihitsy aza no ho takona ny anjara masoandron-dramalagasy !

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre