Distrika Ankazobe – Fiara fitaterana notafihin’ny dahalo
Andian-jiolahy miisa roa no nanafika taksiborosy iray avy any Mahajanga ho aty Antananarivo, ny alin’ny alatsinainy 29 aogositra 2016 lasa teo, tao amin’ny fokontany Andoharano, Ankazobe. Nobahanan’izy ireo tamin’ny vato ny làlana, araka ny vaovao voaray. Vaky ny kodiarana an-kavia ka tsy afaka nihetsika intsony ny fiara. Tetika efa fanaon’ireo dahalo mihitsy ity fanakanan-dàlana amin’ny alalan’ny vato ity, ary matetika maromaro izy ireo no manafika no sady mitondra fitaovam-piadiana avokoa. Roa ihany anefa no nanao ny asa ratsy tamin’ity indray mitoraka ity ka nanararaotra nitsoaka tany Ankazobe daholo ireo mpandeha sy ny mpamily noho ny tahotra. Ny fiara sy ny entana tao anatiny kosa tavela teo an-toerana. Noho izany, vola mitentina 160 000 000 ariary miampy ny entan’ny mpandeha no lasan’ireto dahalo ireto. Tsy ela fa fotoana fohy taorian’izay dia tonga nanao ny fisafoana ny manodidina ny mpitandro filaminana Ankazobe saingy efa lasa lavitra ireo mpanao ratsy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







