Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Kmf-Cnoe – Ilaina ny fanavaozana ny lisim-pifidianana

Naneho hevitra manoloana ny fitakiana ny hanatanterahana ny fifidianana alohan’ny fotoana izay takian’ny fiaraha-mihetsika “Mitsangàna ry Malagasy “ ny komity mpanara-mason’ny fifidianana Kmf-Cnoe, isan’ny andry lehibe izay ao anatin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Ho an’ny Kmf-Cnoe dia ilaina aloha ny fanaovazana ny lisi-pifidianana  iray manontolo satria maro ny olom-pirenena izay tsy afaka nifidy nandritra ireny fifidianana natao farany teo ireny. Raha tsiahivina tokoa dia ny faran’ny taona 2013 no natao ny fifidianana filoham-pirenena ka ny fihodinana faharoa no nampiarahana  tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka. Ny taona 2015 kosa no nanaovana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny filan-kevitry ny tanàna ho an’ny kaominina miisa hatramin’ny 1 600 mahery manerana ny nosy. Ny nahagaga ny maro dia misy ny olom-pirenena izay tsy tafiditra mihitsy tamin’ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ireo fifidianana rehetra ireo na ihany koa tafiditra ihany fa avy eo indray tsy tao intsony kanefa mbola velon’aina soa aman-tsara no sady tsy nigadra no tsy nandray fiaramanidina ka niondrana vetivety na naharitra tany ampita.

Ho an’ny Kmf-Cnoe dia mbola tena lesoka be amin’ny fikarakarana fifidianana eto amintsika ny lisitry ny olom-pirenena afaka mifidy ary, izay manamafy ny mahakitoatoa azy. Araka izany tokony ezaka voalohany ataon’ny Ceni aloha ny manamarina, izany hoe mampiditra ny olom-pirenena manana ny zo feno amin’ity lisi-pifidianana ity. Mahagaga tokoa raha toa ka voalaza fa 23 tapitrisa izao ny vahoaka Malagasy kanefa tsy ampy antsasa-manilan’io tarehimarika io akory ny isan’ny mpifidy nandritra iny fifidianana ben’ny tanàna natao farany iny. Araka izany rariny ny fangatahan’ny Kmf-Cnoe.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre