Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Tetezan’i Manakara – Tsy laharam-pahamehana ho an’ny Governementa

Tamin’ny 10 septembre 2012 tamin’ny 1ora antoandro no tapaka ny tetezana tao Manakarabe. Fiara lehibe nitondra entana mahery ny 30 taonina no nandalo teo ka nahatonga ny firodanan’ny tetezana. Telo taona aty aoriana dia tsy mbola nisy fanamboarana ny tetezana. Toy ny tsy lohalaharana hoan’ny Governementa malagasy izany raha ampitahaina amin’ny fotodrafitrasa mandeha any amin’ny toerana hafa. Telo taona koa izay no nampizara  roa ny tanànan’i Manakara satria dia vao mainka nirodana ny tetezana ary nirotsaka hatramin’ny arabe.  Marihina fa efa simba ny tapany havanana amin’ity tetezana ity izay nangatahan’ny mponina fanamboarana saingy notohizana tamin’ny hazo sy vy manify fotsiny izany mba hahafahan’ izy ireo mivezivezy talohan’ny najasimba azy tanteraka.

in- 114 tany raha kely indrindra ny tena no nampahatsiahy ny tompon’andraiki-panjakana ny amin’ny tokony hamitana ireo fotodrafitrasa ireo nefa tsy mahaketraka ny miangavy ny hamitana azy ireo fa miankina amin’ny fahavitan’izy ireo izany ny fampandrosoana an’i Manakara”, raha ny nambaran’ny Ben’ ny Tanana.

Milaza ireo mponina fa betsaka ny teknisianina na malagasy na vahiny nandalo sy nijery ary nanao tombana tamin’ny fanamboarana saingy tsy misy miverina izy ireo hatramin’izao. Raha ny vaovao farany  dia voalaza fa sinoa no hanatanteraka ny asa fanamboarana  rehefa tapitra ity taona 2016 ity ka amin’ny volana janoary no hanomboka  ny asa. Toy izay hatrany ny fampanantenana atao ny vahoaka manodidina io tanàna io.  Marihina fa noho ny fahatapahan’io tetezana io dia manararaotra ny mpanangom-bokatra mampiakatra vidin’entana  ka mikaikaika ireo mponina.

Tena mijaly ny vahoaka ao Manakara, ariary 100 no miampita lakana ka rehefa tsy misy vola dia tsy miampita.  Lakana no iampitan’ny mpiasa sy ny mpianatra  raha toa ka tsy maika. Misy ihany  koa ny tetezana  eo amin’ny fadintseranana saingy efa mihasimba ihany koa izany. efa misy ny tolobidy natao ho fanarenana ny tetezana raha ny filazan’ny Ben’ny Tanana fa tsy nisy nivaly izany hatramin’izao.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre