Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Haharitra ora telo ny eklipsa

Maro ireo mpizahantany malagasy na vahiny tonga eto an-drenivohitr’i Toamasina hizaha sy hijery akaiky ny fisehoan’ny eklipsa amin’ny alakamisy 1 septambra ho avy izao. Mahasarika olona maro tokoa io eklipsa io. Ny renivohitry Betsimisaraka no anisan’ny toerana tena ahitana izany mandritra ny ora telo, manomboka amin’ny 11 latsaka kely ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Ho fanomanana izany dia misy ny fandraisan’anjaran’ireo mpitondra isan-tsokajiny any an-toerana ka nahatonga ny fivoriana niarahan’ireo tompon’andraikitra samihafa toy ny lehiben’ny prefektiora, ny lehiben’ny fampanoavana tribonaly ambaratonga voalohany, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny fibaikoana ny tafika, ny kaominina, ny boriboritany sy ny sefom-pokontany, ny departemanta minisiterialy tamin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Anandra Norbert, izay natao tao amin’ny hotel “Splendide” ny tolakandron’ny alatsinainy 29 aogositra 2016. Mahasarika mpizahantany maro tokoa ny eklipsa  ka misy ny fepetra tsy maintsy arahina, hoy ny lehiben’ny prefektiora. Nofaritany mazava tsara fa manomboka amin’ny 11 ora latsaka ka hatramin’ny 2 ora any ho any ny faharetan’ny fisian’ny eklipsa eto Toamasina. Ho an’ny lehiben’ny fampanoavana tribonaly ambaratonga voalohany Toamasina indray, dia hisy ny fepetra hapetraka amin’io eklipsa io mba hitandrovana ny fandriampahalemana eto Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana. Na dia ahitana tsara io eklipsa io aza i Toamasina dia hisy ny orana hirotsaka araka ny filazan’ny sampan-draharaha mpijery ny toetrandro.

 

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre