Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Anosiakamba-Soalala – Botry rendrika, mpandeha 11 tsy hita popoka

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 29 aogositra, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, dia nisy botry iray rendrika raha saika hihazo an’i Soalala rehefa tonga teny amin’ny faritra antsoina hoe Anosiakamba ary  vaky tampoka io botry io. Niezaka ireo mpandeha nanala ny rano nefa tsy afaka noho ny fidiran’ny rano be loatra tao anatiny, izay nanafaingana ny filentehany.

Samy niezaka nanavotra ny ainy ireo mpandeha miisa12 rehefa nilentika ilay botry, araka ny fitantaran’ny mpanamory. Ity farany irery anefa no mba avotra rehefa nilomano nandritra ny fotoana maromaro. Satria ny harivan’ny alatsinainy 26 aogositra tamin’ny 5 ora hariva izy vao tonga teny an-tanety.

Raha ny fantatra dia nandeha antsokosoko niala tao Mahajanga ity botry ity, izay tsy nahazo alalana avy amin’ny Apmf, izay antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy ny
Zandary, vokatry ny fisian’ny andro ratsy izay mitondra tafio-drivotra mafy eny an-dranomasina ka sarotra noho izany ny fikarohana ireo 11 tsy hita.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre