Antananarivo, tanàna be fady !
Toy ny tanàn-dehibe rehetra dia mivoatra dia mivoatra ihany ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Amin’ny maharenivohitry ny nosy azy dia mandaitra kokoa, noho ireo renivohi-paritany hafa, ny kolontsaina mitondra korontana izay voizin’ny hainoamanjery sy ny internet. Ity farany izay fitaovam-pifandraisana mivelatra soa aman-tsara ho an’ireo tanora tia manandrakandram-poana sy mora andairan’ny fandrosoana amin’ny ratsy ary dia ao amin’io internet io no mijery ny fomba ratsy isan-karazany na ny olo-marina, na ihany koa ny olon-dratsy, ny mpandromba, ny mpanolana, ny mpamono olona ary koa ny mpanendaka. Dia mazava ho azy ihany koa fa mivelatra arakaraka izay ihany koa ny fitandremana maro samihafa mba tsy hiavian’ny loza amin’ny tena, hany ka zary lasa fitsipiky ny fitondran-tena mihitsy aza ho an’ny maro. Ohatra, amin’ireny ny tsy filalaovana finday eny ambony taksibe eny satria kinga dia kinga tokoa ireo mpanendaka amin’ny fangalarana ity fitaovam-pifandraisana ity izay mora avadika ho vola ihany koa noho ny hamaroan’ny mpampiasa azy. Ny taxibe eto amintsika eto an-drenivohitra moa zara raha mihidy ireny fitaratra ireny ary azo lazaina fa … tsenaben’ny mpanendaka tokoa izy ireny. Tsy lazaina intsony moa izany ny eny amin’ny fiantsonana rehetra eny fa mifanaretsaka na ny mpandeha, na ny mpandroba ka tsy misy intsony andro mazava mety hahasakana ireo olon-dratsy amin’ny asa mamoafady ataon’izy ireo. Etsy andaniny manaikitra dia manaikitra ny fitohanana eto Antananarivo ary dia manamora fatratra ny asa ratsiny izany satria mandra-piala ao anaty taksibe raha toa ka hoe hanenjika ilay mpangalatra ny tena dia efa tafiditra any anaty lalam-poza rehetra any izy. Fantatry ny maro koa anefa fa tsy miasa irery izy ireny fa misy namany hatrany eo amin’ny manodidina eo ary ireo indray no manindron’antsy izay olona sendra manampy an’izay voa. Araka izany lasa fady eo amin’ny Tanànan’Antananarivo ny milalao finday anaty taksibe, eny fa na dia ny mandray ny antso fotsiny ihany aza satria manokatra varavarana ho an’ny fanendahana izany.
Isan’ny fepetra efa fantatry ny rehetra ihany koa fa tsy fanao ny miravaka volamena, eny fa na amin’ny andro alahady aza. Efa be ireo trangana sofina rovitra sy tenda voaratra nandritra ny fotoana lavalava tokoa izay saingy tsy nandrenesana tranga firy toy izany intsony tato ho ato fa ny fanendahana solosaina sy lelavola ihany kosa aloha dia mbola tena manjaka mihitsy amin’ny faritr’Analakely sy Behoririka ary Antanimena iny. Fady araka izany ny mitondra firavaka volamena, vola sy solosaina amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo, sady ny tena loza tsy vitan’ny manendaka fotsiny ireo olon-dratsy fa tena mamono mihitsy ka mampiasa antsy nalona tanaty asidra. Araka izany tsy fery tsotra ihany no aterak’izany ratra izany fa lo ho azy ny nofo lalovan’ilay antsy ary dia fandaniana tsy misy farany ny an’ireo marary sy ny fianankaviany.
Fa tsy ireo toerana ireo ihany no mety hahitana loza fa iny faritr’Andohatapenaka sy ny 67ha iny koa dia tena … mahamay be, araka ny fitenin’ireo zatovo. Eo indray dia tsy maintsy hidina tanterana ny varavaram-pitaratry ny fiara, indrindra ho an’ireo lehilahy mitondra fiara irery. Marina tokoa izany satria mody mandona ny fiara ireo mpandroba ka raha vao mivoaka ilay mpamily dia madio vetivety ny ao anatin’ny fiara. Tsy afaka ny hitana an’iza sy iza ihany koa anefa avy eo satria manao tongotra an-katoka mamonjy elakelan-trano ilay tovolahy nifanazava teo. Raha sanatria mbola miana-kendry hanenjika dia toy ny manao veloman’ny tany ihany satria dia efa ao ireo tovolahy marobe mamon-drongony miaraka amin’ny bois rond sy ny antsim-bilona vonona ny hifanjinja tanteraka ka haningotra ny ain’ireo izay sahy mifanandrina aminy. Fa ny tena loza, mbola ho an’ireo lehilahy mitondra fiara irery eny Andohatapenaka sy 67ha iny ihany, fomban’ireo vehivavy sasantsasany eny ny tonga dia mamoha ny varavarana ary miditra avy hatrany anaty fiara. Tsy mety miala ao izy ireo raha tsy mahazo vola na ihany koa finday ary milaza ho mpivaro-tena kanefa tsy nahaloa ny hofan’ny tenan’izy ireo ralehilahy mpamily. Ka raha tsy te ho afa-baraka, sady amin’izay ireto izy mihorakoraka miantso vonjy, dia aleo manaiky mora foana izay tiany hatao. Mbola fady iray ihany koa izay. Fa mbola fady ihany koa ny mandeha moto amin’ny alina eny Vasakôsy sy eny Andavamamba satria dia misy manisy menaka ny arabe ka vetivety foana dia mianjera. Poa toy izay ihany koa dia raikitra ny daroka sy ny fanendahana. Vokany : ny moto lasa, ny tena miboridana sy maratra mafy ka raha sendra misy fiara avy ato afara dia aleony lavitra milefa toy izay hijanona hanampy. Fa toy izay ihany koa ny eny amin’ny Boulevard de l’Europe hihazo an’Ankorondrano iny satria raha sendra mandalo amin’ny alina dia misy mitoraka ny fiara. Eny Ambodimita mankeny Ambohimanarina indray dia maloto no injany miantefa amin’ny fiara, mbola amin’ny alina ihany io. Ny farany tiana ambara eto dia ny eny amin’iny Petite vitesse iny satria dia fady ny mamaly ireny olona misera finday ireny. Matetika rehefa manontany ny volanao ilay milaza ho mpivarotra dia manombana ny vola azo endahina any aminao ny tena marimarina kokoa.
Araka izany, niova dia niova tokoa ilay renivohitr’i Gasikara ary toa zary lasa tanànan’ny arivo … fady!
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







