Anosipatrana – Tratra ny mpamatsy basy ireo dahalo
Lehilahy roa ka ny iray 45 taona, no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Commissariat Central Tsaralalàna, ny zoma lasa teo teny Anosipatrana ka nahatratrarana basy kalachnikov roa. Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisy fa misy tovolahy mitondra fitaovam-piadiana hihazo an’iny lalana digue Anosipatrana iny. Ary dia natao ny vela-pandrika sy ny fitsirihana ireo fiara nandalo. Nandritra ny fisavana ny fiara no nahitana ireo basy roa ireo miaraka amina bala miisa 178 ary chargeurs miisa 4. Nilaza moa ireo mpanao ratsy fa mpitandro filaminana am-perinasa (zandary) saingy tsy nanana karatra mifanaraka amin’izany kanefa dia nahitana akanjon’ireo mpitandro filaminanana maromaro teny amin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany izy roalahy ireto ka nandritra ny fanadihadihana natao no nahafantarana fa mpamatsy basy any amin’ireo faritra be dahalo any amin’ny faritra atsimo ireo voasambotra. Araka ny voalaza dia tsy voalohany akory izao fanondranana ataon’izy ireo izao ary nisy anarana manamboninahitra ambony voalaza fa mpamatsy ny fitaovana. Ny tena marimarina kokoa dia efa fanindimin’ny basy haondrana any amin’iny faritra iny ireo basy tra-tehaka ireo ary rehefa natolotra ny fampanoavana izy roalahy dia nampidirina vonjimaika eny amin’ny fonjabe eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana. Mbola mitohy hatrany kosa anefa ny fanadihadihana.
R.V
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







