Befandriana Avaratra – Tovovy 16 na 17 taona hita faty nofongarin’ny alika teny amoron-tanimbary
Tranga feno habibiana. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana na an-tanàn-dehibe izany na any ambanivohitra. Tovovavy kely eo amin’ny fotoana ny adolantsento no hita faty teny amoron-tanimbary. Olona sendra nanondraka anana teny an-tanimbary Ambodimadiro , anelanenalan’ny fokontany Ambalanomby kaominina renivohitra Befandriana Avaratra sy fokotany Zafilambahy, kaominina ambanivohitra Morafeno no nahitana ny razana nalevin’olona. Ny alika izay efa namongatra sy efa niezaka ny hisintona ny razana tamin’ny rantsan-tanany sy rantsan-tongony no fomba nahitana azy.
Tovovavy 16 na 17 taona eo ho eo io olona maty io raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo. Tsy nahitana tsindron’antsy tamin’ny vatany fa diana kapoka, izay namela faritra mena teo amin’ny lohany no ahiana nitarika ny fahafatesany. Araka ny loharanom-baovaova dia “niankohoka ny razana tao anaty lavaka. Ary teo amin’ny roa na telo andro latsaka kely no nandevenana azy. Ny lohan-tongony sy rantsan- tanany no tsy ampy tamin’ny razana satria efa nohanin’ny alika. Marihina fa tsy resaka hala-taova satria tsy misy banga ny vatany”, raha ny nambaran’ny mpitsabo, sefo CSB II nanao ny “autopsie” tany an-toerana . Ity farany izay tsy nanambara tranga fanolanana ihany koa. Ahiana ho novonoina tany an-toerana lavitra io tovovavy io vao nalevina teo amin’ny toerana nahitana azy. Ny antony dia tsy misy olona nahafantatra io tovovavy io na ny fokonolona amin’ny tanàna manodidina, na ny olona tonga nijery ny voina. Tsy misy ny nahafantarana an’io olona maty io ihany koa teny aminy. Araka ny fitiliana nataon’ny mpitsabo hatrany dia marika tombokavatsy misoratra FS no hita eo amin’ny tanany havanana. Raha ny fijery voalohany dia olona tsy lavitra azy no nahavanon-doza. Efa eo ampelatananan’ny mana-mpahefana any an-toerana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







