Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Gadra nanao Rainivoanjo !

Nahagaga ny maro ny fomba nahatafavoaka ity voafonja iray ity izay migadra ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy. Nisy fotoana vao tsy ela akory izay dia nilaza ho tsy salama ranamana ary nentina namonjy ny hopitalibe ao Toamasina. Hay hevi-petsy ihany izany tsy fahalavorariana ara-pahasalamana izany fa ny masaka tao an-tsainy dia ny hilefa hitsoaka ny fonja. Notanterahiny tokoa izany kanefa vetivety monja dia tratra ralehilahy. Vokatr’izany dia tsy maintsy mahazo sazy izy, araka ny fitantanana eo anivon’ny fonja, kanefa ihany koa raha ny tokony ho izy dia mandalo fanadihadiana sy fitsarana mihitsy ny raharaha toy itony satria heloka eo anetrahan’ny lalàna. Ny teo anivon’ny fitantanana ny fonja aloha dia nandray fepetra avy hatrany ary dia nametraka an-dranamana mitondra ny fanampin’anarana Jean Ernest tamin’ny toerana manokana tsy hahafahany mifanerasera na amin’iza na amin’iza. Isan’izany fepetra izany ihany koa ny fametrahana “menottes” na rojo vy amin’ny tanany. Ny alin’ny asabotsy hifoha alahady anefa dia tsy hita indray izay nalehany ary tena tafavoakan’ny fonja mihitsy aza, araka ny vaovao nomen’ny lehiben’ny fonjan’Ambalatavoahangy. Nentiny nanaraka azy any amin’ny tany nandehanany any ihany koa ny rojo vy namatotra ny tanany. Araka izany dia zendana ny maro amin’ny nahafahan’i Jean Ernest nanatanteraka izany fitsoahana izany kanefa efa sady amin’ny toerana sarotra no misy azy no mbola sarotra ho azy ihany koa ny handeha hananika tamboho amin’izato tanana voafatotra. Ka inona moa izany fa tsy mampahatsiaro an’ilay angano an-kiran’i Bekoto ao amin’ny tarika Mahaleo izay mitondra ny lohateny hoe : Rainivoanjo! Rangahy ity moa araka ny fantatra dia efa kely ihany sisa ny fotoana hijanonany am-ponja, eo amin’ ny herintaona eo ary efa nahavita sazy enin-taona be izao. Araka ny loharanom-baovao ao an-toerana dia efa mandeha hatramin’ny alahady teo ny famotorana sy ny fitadiavana an’i Jean Ernest.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre