Foulpointe – Lasan’ny mpangalatra ny entan’ilay mpitsara
Ankoatra ireo fianakaviana manararaotra ny fialantsasatry ny mpianatra, dia mpizahatany maro no efa tonga ao Toamasina sy Foulpointe, hianoka sy hijery ny fanakonan’ny volana ny masoandro, na ny eklipsa, hany ka saika feno avokoa ny trano fandraisam-bahiny, indrindra ny ao anatin’ny kaominina renivohitra Mahavelona Foulpointe.Ny fahamaroan’ny vahiny amin’ireny toerana ireny no hanararaotan’ny jiolahy mpandroba hangalarana ny entan’ireo mpanao vakansy. Raha variana milalao sy misangy ranomasina fa tsy misy mpiandry ny fitafiana, na ny zavatra hafa napetraka eny an-tsisin’ny torapasika, dia fahon’ny mpandroba avy hatrany. Toa izany ihany koa any amin’ny hotely, na bungalow, fa maro amin’ireo vahiny mipetraka amin’ireny no iharan’ny halatra, na misy olona aza any anaty efitra. Ny alin’ny talata 30 hifoha ny alarobia 31 aogositra, tao amin’ny bungalow “Point au sable” Foulpointe, dia ramatoa mpitsara ao amin’ny Cour d’Appel Antananarivo sy ny ankohonany no lasibatry ny halatra. Ny nahavariana ireo olona niisa valo natory tao anatin’ity bungalow ity, dia samy renoky ny torimaso avokoa izy ireo. Araka ny voalazan’izy ireo, dia teo am-baravarankely no nidiran’ity mpandroba, na dia nihidy lakilé tsara aza. Nakorontan’ilay jiolahy ny entana rehetra teo ambony latabatra, ary nasesiny nosavaina dia nilamina tanteraka izy nanao izany rehetra izany. Nosokafany ny varavarambe avy eo, ary nibata ny halatra azony toy ny vola mitentina 240 000 Ariary, tablette roa miampy telefaonina finday roa ihany koa. Tovolahy iray natory teo akaikin’ny varavarambe no nahatsikaritra rehefa nodinganin’ilay jiolahy saingy tsy sahy niantso vonjy noho ny tahotra. Nalain’ity jiolahy ny lakilem-baravaran’ny bungalow, ka natsofony tamin’ilay varavarambe ety ivelany indray avy eo.
ZOUZOUH Toamasina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







