Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Sarotra ny fandidiana !

Fomba fiteny iray izay efa fampiasan’ny rehetra izany, indrindra rehefa tokony hanapaka hevitra amin’ny sehatra maromaro izay samy ratsy nefa tsy maintsy isafidianana iray izay heverina ho tena tsara amin’izy ireo. Na mety ho fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina kanefa maharary sy hitondra voka-dratsiny avokoa.  Fa ny tiana resahina eto dia ny mahakasika ny fanadinana bakalorea izay nivoaka io maraina io ny valiny ho an’ny faritanin’Antananarivo ; eo koa ny mety ho tohin’ny fianaran’ireto zatovo ary mazava ho azy, ny fiantraikan’izany amin’ny ho avy manontolo ho an’ireo taranaka. Nivoaka tokoa araka izany ny valim-panadinana ho an’Antananarivo raha toa ka efa ho herinandro mahery izay no nahavita ny azy ny tany amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa ka 52 isan-jato mahery no tahan’ny fahafahana. Ho an’Antananarivo dia somary latsaka kelin’io tarehimarika io ilay taha satria 49 isan-jato, saingy nitombo be izany raha miohatra ny tamin’ny taon-dasa. Marina tokoa izany satria nanodidina ny 39 isan-jato ny taham-pahafahana bakalorea tamin’ny taom-pianarana 2014-2015 iny.

Raha io tarehimarika io no jerena dia fanontaniana maro no indray mibosesika ao an-tsaina : mahay kokoa ve izany ireto zatovo tamin’ity andiany ity ka nidororororo ny ankilany voalaza etsy ambony? Sa kosa mora kokoa ny fanadinana ka sahirankirana ny teo aloha? Na ihany koa, niha-nahay ve izany ny mpampianatra tamin’ity indray mitoraka ity ka tsy nahay nanazava lesona tamin’ny taon-dasa ?  Mety tsaratsara tohana ara-tsakafo kosa angamba ny mpianatra tamin’ity taom-pianarana ity raha nisedra ny mafy ny andiany teo aloha, asa ô? Mazava ihany koa fa miandry toraka voninkazo ny mpikarakara rehetra ary miantomboka amin’ny ministeran’ny fampianarana izany. Araka izany, aoka tsy ho gaga ny maro raha toa ka miseho télé matetika indray ilay ranamana miasa ao Anosy iny ka manazava amin’ny antsakany sy ny andavany ny fahombiazan’ny tetikady rehetra natao sy manambara ho ren-tany sy ho ren-danitra ny programa amin’ny ho avy, izay efa tsy ho ela.
Na izany aza aloha dia arahabaina daholo ry zandry kely isany izay nahavita ity dingana lehibe ity no sady mankahery ireo izay voatery tsy maintsy hamerin-taona. Ho an’ny ray aman-dreny dia mazava ihany koa fa tsy maintsy miatrika ny zava-misy satria tsy hanaiky mihitsy ny saina fa tsy maintsy atao izay hahatafitana ny kilonga. Ho an’ireo ray aman-dreny manana ny zanaka izay nanao ny tsy ambinina aloha dia efa tsy maintsy sahady mijery ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny famerenan-taona izay mazava ihany koa io fa nahitana fisondrotany be ihany. Nanaraka izany fiakarana izany ihany koa ny saran’ny fisoratan’anarana ary mila vonjivonjena haingana ny toerana satria ny mpianatra tamin’ny kilasy voalohany izay niakatra amin’ny kilasy famaranana dia efa nahavita izany. Vitsivitsy araka izany ny toerana banga tavela ka ilaina ny hazakazaka arahan-tosika sao dia ilaozany eo ny ankizy. Ary tena loza raha izay no mitranga satria ny asa rehetra atao izao dia mitaky io diplaoma io farafahakeliny, eny fa na dia hanao sécurité na mpandroso sakafo amin’ny hotely aza. Ireny asa ireny izay eritreretin’ny maro fa azo idirana avy hatrany no tena mitaky mihitsy ny diplaoman’ny bakalorea satria mifanerasera matetika amin’ireo vahiny ka liana ny fifehezana ny tenim-pirenena vahiny ary farafaharatsiny amin’izany dia ny teny frantsay. Etsy andaniny, henatra amin’ny fiarahamonina sy ny fianankaviana ihany koa izany hoe manan-janaka tsy afaka bakalorea ary dia najanona tsy nianatra intsony noho ny antony maro, indrindra moa hoe noho ny antony tsy fisiana. Tsy maintsy mamorona ny tsy misy araka izany ny ray aman-dreny entina hamerenan-taona kanefa ihany koa dia tsy maintsy manome “courage” sy mikarakara araka izay azo atao.
Ho an’ireo ray aman-dreny nahatafita kosa dia tsy maintsy atao aloha ny fisaorana an’Andriamanitra. Nahadingana tohatra iray lehibe tokoa ny kilonga rehefa afaka bakalorea izany satria atao veloma ny 12 taona teny an-dabilion’ny sekoly fampianarana fototra, ambaratonga voalohany ary ambaratonga manokana na ny lisea izany. Avy eo dia mipetraka amin’ny safidy amin’ireto sekoly ambony zavon-tany manerana an’Antananarivo sy manerana ny nosy mihitsy ary mila mitandrina mafy ny rehetra satria volabe no atosaka eo ary farafahakeliny dimy taona no ho lany. Tsy afa-mihemotra intsony mantsy rehefa avy manaikitra ilay kankana, izany hoe nandoa ny saram-pidirana lafo dia lafo. Marina tokoa izany satria dia tsy latsaka ny iray tapitrisa ariary no homanina vao mety ho vita ny taona voalohany izay tsy azahoana na diplaoma n’inon’inona mihitsy. Izay ilay nolazaina tetsy ambony fa tsy lany eo aloha ny dimy taona fa afaka misento. Mazava ihany koa fa misy ireo sekoly ambony azo lazaina fa avo lenta tokoa ka fanirian’ireo ray aman-dreny ny hianaran’ny zanaka amin’ireny, kanefa moa dia vitsy ihany no ho tafiditra.
Araka izany, fahasahiranam-be no miandry aorian’izao fivoahanan’ny lisitry ny afaka bakalorea izao kanefa dia voafehin’ny teny hoe : ataovy be aloha ny vola vao miresaka ! Izay indrindra no mahasarotra ny fandidiana satria aiza ary no hahitana azy. Ny tena marina mantsy dia efa tena mamono tena isan’andro mihitsy ny tsirairay kanefa tsy mihodina akory ny herinandro dia lany ny eo an-tanany.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre