Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Andranovelona – Kamiao nivarina an-tanimbary

Tsy misy izay tsy mahalala fa betsaka ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Na ny fiara mpitondra mpandeha na ireo mpitondra entana. Tsikaritra matetika amin’izany fa ny fandehanana mafy no miteraka loza. Efa maro ny voa nefa tsy mety fay ireo mpitondra fa dia manao izay tiany satria te ho tonga aloha na koa te hahavita asa betsabetsaka kokoa, kanefa faty no hita amin’izany. Ny alakamisy 29 aogositra tokony ho tamin’ny 10 ora sy 40 minitra alina, tao aminy fokontany Andranovelona, kaominina Fihaonana, nisy kamiao “semi-remorque” marika MAN, izay avy aty Antananarivo ho any Mahajanga, no niala ny lalana ary nivarina tany an-tanimbary, noho ny fandehanana mafy. Vokatr’izany, naratra ilay mpamily, izay lehilahy tokony ho 53 taona sy ilay mpanampy azy. Ny nampalahelo anefa dia ny zanak’ilay mpamily mpanampy, izay nanaraka ny rainy no maty tsy tra-drano. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Fihaonana no manao ny fa,adihadiana.

Volana S.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre