Arivonimamo – Manjaka koa ny halatra lakolosy
Nalaza tato ho ato ity halatra hafahafa ity ary saika manerana ny nosy mihitsy no nisian’izany. Nanomboka tany amin’ny faritra atsimo tany izy ity, tany amin’ny distrikan’i Beroroha tany ary dia nihanaka tokoa ka tsy nisy intsony faritra tsy nisian’izany. Isan’ny nahoraka farany teo, ohatra, ny tany Sava tany ka nandraisan’ny tompon’andraikitra fepetra henjana mihitsy satria dia nampidinina avokoa ny lakolosim-piangonana rehetra tsy ankanavaka mba tsy hanomezana vahana ireo olon-dratsy. Isan’ny fepetra iray hafa noraisin’ny manam-pahefana eto Madagasikara ihany koa ny fanaraha-maso ireo orinasa vaventy sy salantsalany ary madinika mpandrendrika vy ireny, saingy hatreto aloha dia tsy nahafoana ny halatra izany. Hafahafa, hoy isika, etsy ambony satria raha ny fahafantarana azy dia mihantona amin’ny toerana avo dia avo no misy ny lakolosy kanefa araka izany dia mbola azon’ireo jiolahy ihany. Ho an’ny olon-tsotra na ny hiditra amin’ireny fiangonana ireny amin’ny andro maizina sy amin’ny fotoana tsy misy olona aza dia efa somary mampatahotra be ihany. Tsy izany kosa ny an’ireto mpanimbazimba toerana masina izay efa resin’ny herin’ny vola fa dia manao ny asa ratsiny am-pilaminan-tsaina tokoa izy ireo, toy izay niseho tao amin’ny fiangonana protestanta ao Morafeno, ao amin’ny distrikan’Arivonimamo ny alin’ny alatsinainy 29 hifoha ny talata 30 aogositra lasa teo. Novakian’ireo jiolahy ny varavarakelin’io fiangonana io ary dia teo ry zalahy ireto no niditra ka nianika ny fitoeran’ny lakolosy. Ny maraina kosa izay vao tsikaritry ny tompon’andraikitra fa very io lakolosy io ary niantso ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaompanian’ny zandarimaria ao Arivonimamo izy ireo. Ho an’ny maro dia mahagaga mihitsy ity halatra iray ity satria dia mavesatra tokoa ireny lakolosy ireny ary raha vatan-dehilahy kelikely aloha dia tsy hahazaka azy mihitsy. Sarotra dia sarotra araka izany ny hanafenana azy kanefa aloha hatreto dia vitsy ihany ny lakolosy hita ary tokana dia tokana ihany koa no nisy namerina dia ny tany amin’ny distrikan’i Tsihombe izany.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







