Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Eklipsa – Toy ny andro alahady ny renivohitr’i Toamasina

Ankoatr’ireo mpizahantany te hianoka ny fanakonan’ny volana ny masoandro ny antoandron’ny alakamisy voalohan’ny volana septambra 2016 dia hita sy tsapa fa toy ny andro fety sy andro alahady mahazatra ny fahamaroan’ny mponina nivezivezy eny an-dalambe rehetra eny, na dia teo aza ny fanentanana natao teo anoloan’ny biraon’ny Faritra Atsinanana, araben’ny Fahaleovantena, ka nandraisan’ireo mpanakanto samihafa anjara. Tsy naharototra ny mponina eto Toamasina firy ny fisian’izany eklipsa izany, fa toa samy nipiripirina tany amin’ny tokantranony avy ny tsirairay. Araka ny fanadihadiana natao dia maro ny antony nahatonga izany : maro ny fianakaviana sahirana, tsy nahavidy solomaso voatokana satria efa mitovy na sahala amin’ny vidim-bary iray kilao hatao sakafo mandritra ny andro iray ; ny filaharam-be eny amin’ireo toerana ahitana ny fivarotana ireny solomaso voatokana ireny. Ankoatra ireo ny tahotra noho ny tsaho isan-karazany nentina nandemena fa bizina ho an’ny sasany ny fivarotana ny solomaso voatokana.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre