Tsihombe – Rangahy 41 taona nianjera avy eny ambony tetezana
Lehilahy iray eo amin’ny 41 taona teo no nianjera avy eny ambony tetezanan’ny renirano ny Manambovo tao Tsihombe ary ora valo taty aorina vao nisy nahita. Randimbison Philibert no anarany, izay mpampianatra “contractual” sady talen-tsekoly ao amin’ny Epp Belintsaka.Raha ny fampitam-baovao dia tamin’ny Alarobia tamin’ny 9 ora alina latsaka tamin’ny ilany Andrefana ny tetezana izay efa tsy misy arofanina intsony. Ka ny omaly alakamisy tamin’ny 5 ora maraina, no hitan’ireo vatan-dehilahy haka rano tamin’ny toerana antsoina hoe Manambato tamin’io renirano io ny vatany izay mbola nisy aina. iretsy farany no nihazakazaka naka posy hitondrana azy haingana tany amin’ny hopitaly. Mafy ny ratra nahazo ny lehilahy ary tsy tamin’ny fotoana nanoratana dia mbola tsy nahatsiaro tena ny marary.
Ny tsara ho fantatra dia efa antitra tokoa io tetezana io. Maro ny olona mifamezivezy eo na andro na alina kanefa noho izay fahanterana izay dia tsy misy intsony irony vy arofanina natao hoan’ny mpandeha tongotra irony. Nanomboka tamin’ny taona 1967 nitokanana azy tamin’ny andron’i Tsiranana Philibert mbola filoha. Izany hoe efa ho 49 taona aty aoriana dia mbola tsy nisy fanavaozana natao tamin’io fotodrafitrasa io. Efa olona fahatelo latsaka tamin’io toerana io Randimbison Philibert fa ny roa, lehilahy sy vehivavy. Ny teo aloha kosa dia maty tsy tra-drano avy hatrany. Ny farany dia vao taminy volana aogositra lasa teo raha tamin’ny volana martsa kosa ny voalahany. Mikaikaika ny vahoaka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana Mahefa isan-tsokajiny mba hamboatra faran’izay haingana io tetezana io. Marihina fa olon-dehibe avokoa ireo izay efa nianjera teo. Ka mandry tsy lavo loha noho izany ireo ray aman-dreny amin’ireo ankizy indrindra fa ny mpianatra izay mifamezivezy eo ambonin’io tetezana io. Indrindra fa amin’izao Fotoana fidiran’ny mpianatra izao.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







